Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Soavinandriana Itasy – Mpiandry omby 1 maty, 2 naratra mafy, very ny omby 120 isa

Niezaka nitady vahaolana hiadiana amin’ny fanafihan-dahalo sy mba hampandriana fahalemana ny fiainan’ny mponina ny mpitondra, toy ny fanaovana ny dinabe izany. Efa nisy mihitsy aza tompon’andraikitra tsy nampiasa hery na fanasaziana fa fanambatambazana no noheverina fa hampiova ireo mitsangana ho fahavalon’ny filaminam-bahoaka ka dia natsoina hoe “dahalo miova fo”. Ao anatin’ny fomba fanitsiana olona daholo izany rehetra izany na amin’ny fomba malefaka na amin’ny fomba mihenjana. Tsapa anefa fa toa tsy mahataitra ireo dahalo ary tsy mampatahotra azy ireo mihitsy na inona na inona fomba hampiasaina eo dia mirongatra hatrany ny resaka halatr’omby eto Madagasikara. Tamin’ny 20 novambra 2016 tokony ho tamin’ny 17 ora sy 20mn, tany amin’ny Fokontany Ambatolampikely, kaominina Tamponala, distrika Soavinandriana ao anatin’ny faritra Itasy dia nisy dahalo 17 isa nirongo basy mahery vaika tonga nanafika sady nanapoaka basy. Nandritra izany no namoahan’izy ireo ny omby 120 isa, izay an’ny fianakaviana maromaro any an-toerana. Voatifitra nandritra izany ny mpiandry omby telolahy ka ny iray maty ary ny roa kosa naratra mafy. Nizotra nianatsimo kosa ny dian’ireo malaso niraoka ireo omby halatra. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny Fokonolona sy ny zandary miisa 10 avy any  Miarinarivo sady nampandre ny mpitandro filaminana ao Mandoto. Nohodidinina  avy hatrany tao amin’ny kizo antsoina hoe Begoavy ny zandary sy ny tafika ao Mandoto. Raikitra ny accrochage teo amin’io kizo io ka Officier izay Chef d’éléments an’ny Tafika, i Lietna  Tana Rostov Marcelin no maty voatifitra nandritra io fifandonana io. Dahalo 07 koa no maty. Tafaverina avokoa ny omby rehetra . Niala tany Mandoto tamin’ny 22 novambra 2016 tamin’ny 12 ora antoandro ny fatin’io manam-pahefana io ka nentina niakatra aty Antananarivo alohan’ny hitondrana izany ho any Mandritsara, izay toerana misy ny fasan-drazany. Misokatra ny fanadihadiana

 

 

R. Fara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre