Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Sady voaroba no voatsatok’antsy ilat tovolahy

Na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ho fisorohana ny asa ratsin’ireo jiolahy mpandrava fananan’olona amin’ny alalan’ny sinto-mahery eny an-tsena, dia tsy mitsaha-mitombo hatrany ihany koa ny fanohizan’ireo mpandroba ny fomba fanaony entin’izy ireo hameloman-tena. Tsy vitsy amin’ireo mpanao sinto-mahery ao Bazarikely Toamasina no efa saron’ny mpitandro filaminana ary manefa sazy ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy.  Mbola misy amin’izy ireny anefa no manohy hatrany ny asa ratsiny. Tsy vitan’ny maka an-keriny ny fananan’ny hafa, fa mahavita ny mamono sy mikendry izay hahafaty izay manohitra azy mihitsy. Ny antoandron’ny alatsinainy 21 novambra lasa teo, dia tovolahy iray nihazo ny lalana eny amin’ny ‘’refrigepeche’’ ao Bazarikely no tojo ireto mpanendaka miisa telolahy izay nanosika sy nila sotasota taminy. Ny iray nandrahona haka ilay sakaosy teny aminy nefa namaly azy ireo ilay tovolahy ka avy hatrany dia nanindrona antsy azy. Nidaraboka tamin’ny tany izy. Niezaka namonjy azy haingana ireo ny olona nanatri-maso. Teo amin’ny kibony no nitsantoka ny antsy nataon’ireo jiolahy ary niboraka ny tsinainy. Niantso haingana ny polisim-pirenena ny olona manodidina nahita maso ny fanafihana , ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ity tovolahy ity mba hahazo ny fitsaboana  sahaza azy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre