Solom-bava hihinana
Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny solombavam-bahoaka raha tsy mahazo fiara 4×4 izay efa notakian’izy ireo an-taonany . Tsy te hahalala izay zava-misy eto amin’ny firenena izy ireo ary tsy mandraharaha izay fahoriam-bahoaka fa izao tombontsoa sy zo izao hatrany no arangaranga. Raha ny zava-misy hatramin’izay tokoa aloha no jerena dia nanan-jo hahazo fiara 4×4 avokoa ny solombavam-bahaoaka rehetra. Talohan’ny taona 2009 no nisy fiovana kely satria tsy nomena ireo depiote ny fiara marika Nissan Ax 4×4 fa nampindramina fotsiny. Vao niongana ny fitondrana dia nifampizaran’ny manam-pahefana tao amin’ny tetezamita sasany ireny fiara ireny ka tsy fantatra izay niafarany hatramin’izao. Ankehitriny dia tsy manaiky ireo solombavam-bahoaka ary manao izay azon’izy ireo atao rehetra mba hahazoana fiara 4×4 avy amin’ny volam-panjakana. Sahin’izy ireo mihitsy ny nanao soson-kevitra hampidirana ny vidin’ireo fiara ao anaty tetibolam-panjakana 2017. Izany hoe tsy maintsy handrombinana hividianana fiara ho an’ireo depiote ny volam-bahoaka izay efa hita fa tsy ampy hanaovana asa fampandrosoana akory. Ety an-tampon’i Samireraka marina ny firenena ka manjaka ny raha ho faty aho matesa rahavana. Mila fiara 4×4 izany ny solombavam-bahoaka ary tsy hanaiky raha tsy mahazo. Mbola tantara be anefa ny mety ho tohizan’izany satria karazan’ny handroso maty raibe, hihemotra maty renibe ihany ny Fanjakana amin’ity resaka fiaran’ny solombavam-bahoaka ity. Raha tsy hanaiky hividy eo mantsy dia tsy maintsy ho tratran’ny fingampigana maro ary mety hirodana mihitsy raha tsy mahay. Hividy indray anefa dia hotambesaran’ny alahelom-bahoaka ary ho maro ireo vondron-kery hanao fitakian-jo. Anisan’izany ny mpiasam-panjakana izay efa miandry kendry tohana fotsiny amin’ny fampiakarana sy fampitoviana ny mari-karama sy vola fandrain’izy ireo . Tsy hipetra-potsiny ihany koa ny mpianatra mpandray vatsim-pianarana fa hitaky ny fanondrotana ny azy. Dia hanao fitakiana toy izany avokoa ny rehetra satria mahita fa raha manam-bola hividianana 4×4 ho an’ny depiote ny Fanjakana dia tokony hanam-bola ihany koa ho an’ny olon-tsotra. Na inona na inona fanazavan’ny manam-pahaizana sy ireo mpandinika politika dia iaraha-mahalala fa tena latsaka an-katerena tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao ary mila fanovam-pitantanana mahomby mba tsy hiafara amin’ny fahapotehana. Be loatra mantsy ny fandanindaniam-poana ataon’ny Fanjakana nefa io indray fa manampy trotraka ny depiote. Mety ho zony ny hanana fiara 4×4 avy amin’ny volam-panjakana nefa kosa rehefa tena dinihina dia tsy laharam-pahamehana ho amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany. Raha misy vola amina miliara maromaro ihany tsy aleo ve hananganana fotodrafitrasa mipetraka ho an’ny taranaka na ihany koa hividianana vary sy sakafo ho an’ny olona lasibatry ny mosary any atsimo sy amin’ny toerana hafa. Solombavam-bahoaka hiteny no nofidiana nefa toa solombavam-bahoaka hihinana no tazana eto amintsika. Tao anatin’ny roa taona mahery niasany dia tsy hita izay tena vokatra nivaingana ho amin’ny fampandrosoana nataon’ny depiote teny Tsimbazaza. Vao mainka aza niteraka savorovoro ny asan’izy ireo ka anizan’izany ny fanandramana handrodana ny Fanjakana tamin’ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika. Mbola tompon’antoka feno amin’ny savorovoro ateraky ny lalàna mifehy ny fifandraisana hatramin’izao ihany koa ireo depiote. Efa ny mpanao gazety mihitsy mantsy no niteny hoe tsy mety io nefa dia tsy te hahalala izy ireo fa tsy maintsy nifidy ilay lalàna ihany. Raha atao ny tomban’ezaka dia toa tsy niasa firy tamin’ny fanaraha-maso ny fitondram-panjakana mihitsy ireo depiote ary manaporofo izany ny fahalanian’ny volavolan-dalàna rehetra naroson’ny Fanjakana teny Tsimbazaza. Tsy resahina intsony ireo savorovoro mahakasika ny ahiahina kolikoly izay nanala baraka ny Antenimieram-pirenena. Mampitaraina ny Bianco io resaka io satria misy ny sakantsakana tsy ahafahan’izy ireo manao ny fanadihadiana mahakasika izany.