Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Oniversiten’ Antananarivo-Quebec à Trois-Rivières – Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa mandritra ny 5 taona

Rehefa niara-niasa nandritra ny herintaona dia niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa amin’izay ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversiten’ny Québec à Trois-Rivières. Ny filohan’ny Oniversite, Ramanoelina Panja sy ny rektera Daniel MacMahon no nanatontosa izany. Ny lanonana izay natrehan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, Rasoazananera Marie Monique. 5 taona no faharetan’ny fiaraha-miasa ary hanamorana ny fifanankalozana eo amin’ny mpianatra ao amin’ny « Master » sy « Doctorat » sy ny mpamianatra izay efa manana traikefa eo amin’ny seha-pikarohana no tena tanjon’ny fifanarahana. Maro noho izany ireo sehatra hiompanan’ny fiaraha-miasa toy ny fahasalamana, ny angovo azo havaozina, ny siantsan’ny tontolo iainana, ny fiarahana mampandroso ny programam-pikarohana, ny fikarakarana “séminaires” na ihany koa fifanankalozana voavao, tahirin-kevitra sy famoahana asa siantifika. Fiaraha-miasa izay ezahina hitarina indrindra eo amin’izay sehatra itovizan’ny roa tonta. Mpampianatra efa za-draharaha avokoa no mampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Québec. Noho izany dia hisy ny fifanankalozana hataon’ny mpianatra sy ny mpampianatra eo anivon’ny Oniversite roa mba hisian’ny fifanankalozam-pahalalana sy ny soso-kevitra ahafahana hatrany manatsara ny fampianarana. Tsy hadino ihany koa ny fanamafisana fiaraha-miasa izay miompana bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny fikarohana siantifika. Mpianatra malagasy 15 hatreto no mpianatra efa nanovo fahalalana tany amin’ny Oniversiten’i Québec ary anisan’ny mpianatra tany ny filoham-pirenena malagasy amin’izao. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika dia hisy ny fanaraha-maso ireo mpianatra malagasy mandeha mianatra any ivelany mba hiverena hanasoa ny firenena rehefa mahavita ny fianarany fa tsy hijanona hipetraka any rehefa mahita asa tsara. Iriana noho izany ny hisian’ny fanatsarana ny fahaizan’ ny mpianatra ary ho mpianatra modely ireo mivoaka ny Oniversite.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre