Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Mangarivotra Atsimo 21/53 – Trano 52 no kilan’ny afo

Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao amin’ny fokontany Mangarivotra, 21/53, carreau 7, Toamasina, ny harivan’ny alarobia 23 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany. Ambin’afo tao am-patana avy amin’ny tokantrano iray no nipoiran’ny afo ka niparitaka malaky tamin’ireo trano manodidina, ny andro koa moa mafana be rahateo ka tsy hay nofehezina ny fijoalajoalan’ny lelafo, noho ny herin’ny fiparitahan’ny afo dia nahatratra 52 tafo ny trano indray natelin’ny afo. Maherin’ny 200 isa ny olona traboina tsy manan-kialofana, ary potika tsy nisy azo noraisina avokoa ny entana maro tsy tafavoakan’ny tompony tamin’ireo trano fonenana. Marihina fa saika ireo trano vita amin’ny hazo sy ravim-pontsy ny ankamaroan’ireo trano hotohoton’ny afo ireo. Naharitra ora efatra ny firedaredan’ny afo ka efa tamin’ny valo ora sy sasany alina vao maty tanteraka izany. Tonga ara-potoana ny  mpamonjy voina teo anivon’ny kaominina renivohitry Toamasina notarihin’ny Kolonely Charles Desiré. Ity farany izay nidera sy nisaotra manokana ny fokonolona, tamin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra nanampy ireo mpamonjy voina teo am-panatanterahana ny asa famonoana ny afo. Tsy mbola fantatra mazava tsara kosa hatramin’izao ny tetibidin’ny zavatra potika sy samba rehetra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, fa lehilahy lehibe iray no safotra tampoka teo am-pahitana ireo trano hotohoton’ny afo ka voatery nentina notsaboina malaky teny amin’ny hopitalibe Toamasina.

ZOUZOUH Toamasina

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre