Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fihaonam-be nasionalin’ny Seces – Nadroso paikady maro hanatsarana ny fampianarana

Notontosaina nanomboka omaly teny amin’ny amin’ny ankany Ambohipo ny fihaonam-be nasionaly izay fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Seces na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny oniversite. Lohahevitra lebibe maro noho izany no hifampidinihan’izy ireo mandritra ity fihaonana ity, izay tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny roa andro monja. Anisany hodinihina mandritra ity filan-kevi-pirenena ity ny mahakasika ny olana mianjady amin’ny oniversite rehetra eto Madagasikara sy ny ivotoeram-pikarohana rehetra mifandray amin’ny fanjakana, ary ihany koa ny momba ny zo ara-sendikaly. Nodinihina tao ihany koa, ohatra, ny fitohizan’ny fanaraha-maso ireo volavolan-dalana na “décret” miisa telo izay navoakan’ny fanjakana. Raha tsiahivina mantsy dia voalaza fa notontosaina teny Mahazoarivo ny septambra 2015 lasa teo ny fifanarahana, izay niangaviana ny mampianatra mpikaroka mba tsy hanajanona ny fampianarana mba hialana amin’ny fanakorontanana. Nisy mantsy ny soson-kevitra naroso tamin’ izany fa hotanterahan’ ny Fitondrana. Ny zavatra hita anefa dia tsy nampidirin’ny fanjakana tao anaty famolavolana ny tetibola 2017 akory izay zavatra efa nifanarahana sy efa nampanantenain’ny mpitondra. Midika izany fa tsy hanatanteraka ny dina efa nifanekena akory ny fitondram-panjakana. Mbola manao antso noho izany ireo mpikambana ao amin’ny Seces ny mba hijerena vahaolana maika mba hialana amin’ny fikorotanana ara-tsosialy eny amin’ny ambaratonga ambony. « Efa tokony tamin’ny volana janoary 2016 no tokony nandray ny tambin-karama momba ny  fikarohana sy ho an’ireo mpampianatra mpikaroka efa nisotro ronono izay efa nampanantenaina. Tsy mbola nisy anefa ny vola nivoaka hatramin’izao, ankoatra ny tambin-karama roa naloan’ny fanjakana taloha. Tsy manantena ny handray ny  ambiny akory izahay satria tsy ao anatin’ny volavolan’ ny tetibola 2017 akory ireo ambiny ireo », hoy ny fanazavan’ ny mpampianatra mpikaroka Ravelonirina Grégoire, filohan’ ny Seces sampana Antananarivo. Etsy ankilany dia misy koa ireo mpampianatra mpikaroaka izay notapahina tsy amin’ny antony ny karamany. Mbola olana mipetraka koa ny fakan’ny olon-tsotra ny tanin’ny Oniversite. Ankoatra izay dia nodinihin’izy ireo ihany koa ny momba ny fiainam-pirenena. Indrindra mahakasina ny tsy fisian’ny mangarahara ny amin’ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Hisy noho izany ny famoahana soson-kevitra izay haroso ny fitondram-panjakana androany.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre