Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Anjomakely – Voasambotra ny mpivarotra voan-drongony

Saron’ny zandary teny Anjomakely ny kamiao nitondra rongony milanja 200 kilao ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Avy any Ibity Antsirabe ity fiarabe ity ary efa nisy nampilaza fa mampiahiahy. Rehefa natao ny sakan-dalana sy ny fisavana dia gony miisa 12 no nahitana rongony. Ny iray tamin’ireo dia nahitana kitapo roa nisy voan-drongony tao anatiny. Niaiky ny heloka vitany ilay mpamily sy ilay nitondra ireo rongony. Nentina niaraka tamin’ny simenitra ireo zava-mahadomelina ireo ary nafenina tao ambany kitapona simenitra. Raha ny fijery azy dia tsy ho fohana fotsiny ireo voan-drongony fa tena natokana hatao masom-boly mihitsy. Izany hoe mety misy tetikasa hanaparitahana ny fambolen-drongony midadasika eto Madagasikara any ho any. Raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana kosa dia tsy tao Ibity ireo Jamala ireo no niainga fa avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy any. Nafindra tamin’ilay kamiao fotsiny ireo rongony ireo rehefa tonga tao amin’ity toerana ity fa fiara hafa azy no nitondra izany hatreo Antsirabe. Nihevitra ireo mpanondrana ity zava-mahadomelina ity fa variana amin’ny frankofonia ny mpitandro filaminana ka tsy hisava fiara. Sendra ny andro niditra anefa ka izao sarona izao.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre