Mandrosoa-Ivato – Mpiasana « hotel » naolana congolais
Tovovavy Malagasy iray miasa amin’ny trano fandraisam-bahiny no naolan’ny lehilahy teratany vahiny afrikanina teny Mandrosoa Ivato. Ramatoa iray no tonga nitaraina tao amin’ny Brigadin’ny Zandary Mandrosoa fa naolan’ny Afrikanina mainty be hono ny zanany vavy. Raha nanontaniana moa ity farany dia nilaza fa hoe mpanadio efitrano amina trano fandraisam-bahiny malaza eny Mandrosoa-Ivato ny zanany. Raha ny loharanom-baovao voaray dia anisan’ireo delegasiona avy any RD Congo ity lehilahy ity. Raha vao tonga tao izy ireo dia efa notambatambazany vola ity tovovavy. Nanda hatrany anefa ity farany ka niafara tamin’ny fanolanana. Efa eo ampelatanan’ny manam-pahefana moa ity raharaha ity ka ho hita eo ny tohiny. Marihina moa fa efa nisy resaka toy izao koa tamin’ireny Sadc tonga teto ireny tamin’ny 2013 fa tsy nisy tohiny mihitsy hatramin’izao.
S.A