Tsy mitovy hevitra … nefa mifandray tsara.
Noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahasamihafana isika olombelona. Tsy maninona araka izany raha samy hafa ny fisainana, ny safidy ary ny tiana hatao. Nohariana hifandray ihany koa anefa isika fa tsy natao hitoka-monina noho ny fasamihafana. Tokony hanaiky izany ny olona rehetra hampilamina ny fiainany eo amin’ny fiarahamonina amin’ny hafa.
Mahay mifanaja
Samy manana ny fisainany avokoa ny malagasy tsirairay, manana izay fomba fijeriny manokana. Miteraka fihetseham-po ao anatiny izany ary manosika azy hanao izay tiany hatao. Mety hisy hanana fisainana mitovitovy, ary te hanao zavatra mitovy. Izay tena tiana hotsindriana anefa dia samy hafa isika satria noforonina ho manokana, hita izany amin’ny fahasamihafan’ny lavon-tondron’ny tsirairay ohatra.
Raha tsy mitovy amin’ny fisainanao ny an’ny hafa dia tsy hoe ratsy akory ny azy na ny anao no tsara. Ohatra misy olona tia akanjo mena. Manana izay maha izy azy io olona amin’ny heviny sy ny safidiny mikasika ny akanjo mena. Ny mahazatra ny olona tia akanjo fotsy dia ny heviny no ambony ary tsy misy dikany ny olona miakanjo mena. Fisainana diso ny toy izany. Samy manan-danja amin’ny tsirairay ny fisainany sy ny heviny, tsy misy ambony na ambany fa nohariana hanana ny maha izy azy avokoa ny olon-drehetra. Tokony ho hajaina ny olona amin’ny fisainana ananany sy ny tiany hatao mba ho tsara ny fifandraisana.
Raha misy faniriana hanova ny fomba fijery dia mandresy lahatra no atao fa tsy manakiana na manambany izay maha izy azy ny olona. Manaja ny fanapahan-keviny koa fa tsy manery azy hiova. Rehefa fantatra ny maha izy azy dia manaiky azy amin’ny safidiny. Fifandraisana salama ny toy izany.
Olana amin’ny fahasamihafana
Misy ny olona sasany tia manjakazaka sy manararaotra ka tsy zakany ny hevitry ny hafa sy ny tian’ny hafa hatao fa manelingelina ny azy. Ny hambom-po no voadona eto ka tsy hahasakana ny hafa amin’izay maha izy azy. Tsara raha mahay manavaka ny hambom-po sy ny fomba fijery ihany koa. Raha tsy tian’ny olona ny fomba fijerinao dia tsy hihevitra fa voailika na mahatsiaro tena ho ambany hianao. Amin’izay dia mora ny anekena ny toerana misy ny tena na mandresy na resy, na voalohany na ho farany.
Fanampin’izany, rehefa mahay mifehy ny hambom-po dia afaka hahazaka fanakianana. Mahay mandinika sy mandanjalanja ny fiainana ary afaka hitombo hihoatra ny fahalemena. Manana fahatokisan-tena tsara hianao amin’izany ary tsy voatery hiankina amin’ny hafa mba hanan-danja, ka hanamaivana ny maha izy ny tena.
Ny fialonana dia miteraka olana eo amin’ny fahasamihafana. Te hanimba ny hafa hatrany ny olona manana fialonana. Tsy zakany ny hampivoitra ny maha izy io olona io amin’ny heviny sy ny tiany hatao. Mamingana ny tsy mitovy hevitra aminy izy. Fahatsiarovan-tena ho ambany no miteraka ny fialonana.
Ny famelan-keloka
Ny hevitra tsy mitovy dia tsy maintsy miady. Tsara ny manavaka ny olona sy ny hevitra. Tsy tokony hiady ny olona raha manaja ny fahasamihafana. Tsy miady ihany koa ny olona izay mahafehy ny hambom-pony. Tsy miady ny olona manana ny maha izy azy.
Rehefa miady anefa ny hevitra dia misy ihany ny fihoaram-pefy manohina ny maha olona amin’ny fomba fiteny sy ny fihetsika atao. Raha nahatsiaro naratra hianao tamin’izany ka mitondra otri-po sy alahelo dia zava-dehibe ny mamela heloka. Ny olona mamela heloka dia mahazo tombony betsaka satria mahatsiaro fahafahana amin’ny gejan’ny fankahalana sy ny tsy fitiavana. Manan-kery hahombiazana ny mamela heloka. Manam-piadanana sy fifaliana maharitra izy.
Raha toa ka nahatsiaro nanao ny tsy nety hianao tamin’ny fanehoana ny hevitrao sy ny fanajana ny hevitry ny hafa dia tombotsoa lehibe koa ny miaiky ny tsy mety natao ary mangataka famelan-keloka. Misy antoka tsara ho an’ny tena ny fandraisana famelan-keloka.
Tokony hialana ny ratsy fa manimba ny tena sy ny manodidina ireny. Ny fiovana dia ateraky ny fanavaozan’ny famelan-keloka. Tsarovy fa nohariana hifandray isika ary manimba ny tena ny tsy fanekena hifandray amin’ny hafa.
Mifandray tsara
Betsaka ny olona no mifamela fa tsy tena amin’ny fo, vokatr’izany dia tsy mifandray tsara fa misy fihatsaram-belatsihy hatrany. Ny fifandraisana dia tsy vitan’ny saron-tava. Tsy maintsy manaiky miverina amin’ny fahatsarana isika raha te hifandray tsara.
Ny olona rehetra manodidina dia hajaina sy henoina rehefa miteny. Mampietry ny avonavona sy ny fireharehana ny rehetra ka tsy mihevitra ny azy ho ambony indrindra ka manao tsinontsinona ny hafa. Manaiky hiady hevitra sy haneho hevitra fa tsy manery ny hafa hitovy aminao na manambany izay tsy manaiky ny hevitrao.
Fo madio hatrany no ahafahana manana fifandraisana tsara. Ny finoana an’Andriamanitra dia manampy antsika tsy hatahotra loatra ny fiainana sy ny hoavy ka mahatonga ny tebiteby hitarika antsika amin’ny lalan-diso izay mahatonga fisarahana sy fifampiandaniana. Mampiadana antsika ny fiarahamonina misy fifandraisana tsara.
Marihina fa tena tsara ny fifandeferana manoloana ny fahasamihafana amin’ny hevitra ananana, kanefa tena tsara kokoa ny fahaizana mifanaja sy mifehy ny hambom-po mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny fifandraisana. Izany no tena tsara sy maharitra.
Tsara ny manetry tena ka mionona amin’izay toerana ametrahan’Andriamanitra ny tena, fa tsy miady ny anjaran’ny hafa. Mahasoa ny toe-po manome lanja ny hafa fa tsy mihevitra ny tena ho tsara sy marina mandrakariva. Aleo ialana ny toetra tsy marina, tsy manaiky ho resy sy ho farany fa miady ho voalohany foana. Aleo hisy hatrany ny hevitra tsy mitovy hampanan-karena ny safidy.
Ny olon-kendry dia tia sy mahay miady hevitra, nefa mifandray tsara satria mifanaja sy mahafantatra ny toerana tokony hisy azy avy.