Niala…maina ny tia tena
Mbola voatery handeha an-tongotra na hitaingina taksiborosy indray izany ireo solombavam-bahoaka rehefa hanao tatitra amin’ny vahoaka nifidy azy ireo aorian’izao fotoam-pivoriana ara-potoana izao. Tsy lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena mantsy ny fampidirana ny volabe amina miliara saika hatao tao anaty tetibolam-panjakana 2017 mba hividianana fiara 4×4. Tsy niray saina ny solombavam-bahoaka ary nivaha ny fatorana maha mpiray lapa azy ireo. Na dia nanao izay hoafany tamin’ny fandresen-dahatra aza mantsy ireo nitaky ny hahazoana fiara tsy mataho-dalana dia nidrikina tsy nanaiky nolembenana hatramin’ny farany ireo manohitra izany. Adin’ny samy bevava sy ny samy mpanao loham-boto rahateo ny eny an-toerana koa raha zatra mifanenjana amin’ny mpanendaka eny ambany tanàna ny sasany dia tsy atoro voanjo hadiana kosa ny hafa izay efa tsy vaovao amin’ny fifandonana amin’ny dahalo mpangalatr’omby. Mazava hoazy fa nirarakompana ny teny mahery ary saika niafara tamin’ny totohondry mihitsy ny fifamalian’reo samy depiote. Tsy tena atao mahataitra izany ary tsy sambany rahateo fa efa fomba fanao maneran-tany mihitsy. Volana vitsy lasa izay dia nisy depiote eoropeanina voatery naiditra hopitaly noho ny fahatapahan’ny lalan-drà tany amin’ny lohany. Marihina fa vao avy nanao totohondry sy nifampitolona tao amin’ny toeram-pivoriana io olo-manan-kaja io talohan’ny fahavoazany.
Mitovy toetra sy fihetsika ny depiote vahiny sy ny malagasy saingy ny mampiavaka ny zava-misy dia ny fihetsiky ny vahoaka. Ny malagasy mantsy mimenomenona sy manakihana fotsiny fa tsy tena sahy mandray andraikitra mampiseho ny heviny. Misy firenena iray tena miavaka amin’ny fihetsiky ny mponina ao aminy any ivelany any. Fanaon’ny vahoaka any mantsy ny manafay ny depiote rehefa hita fa tia tena loatra sy tsy mitsinjo ny mpifidy azy. Andrasan’ny olona eo ivelan’ny Antenimiera ireo depiote tsy misy ilana azy dia samborin’izy ireo ary atsipiny ao anaty dabam-pako. Tsy misy fikapohana na fikasihan-tanana izany fa kosa fihetsika iray entin’ny olona hanehoana ny tsy hafaliany. Eto amintsika dia azo ambara fa tena tsy nisy fampandrosoana azo mihitsy avy amin’ireo depiote. Na tsy fahefana mpanatanteraka aza mantsy izy ireo dia manana andraikitra goavana amin’ny fifidianana ny lalàna izay heverina fa hampandroso ny firenena. Lasa makarakara loatra anefa ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena satria izay lalàna rehetra naroson’ny fitondram-panjakana dia toa lany avokoa. Efa nampikaikaika ny vahoaka izao io tetibolam-panjakana 2017 io satria hatramin’ny antsy ao an-tokantrano sy ny alika fiompy no lazaina fa hampandoavina hetra. Hiverina ihany koa ny hetra isan-dahy amin’ny endriny vaovao.
Dia lany ho azy teny amin’ny Antenimieram-pirenena izany lalàna izany nefa solombavam-bahoaka miisa 47 fotsiny no nifidy azy. Inona fotsiny izany no tena nataon’ny sasany izay misora-tena ho mpiaro ny vahoaka sy ny tombotsoam-pirenena ? Tsy mahalala izay resaka politika sy kajikajin’ny mpahay azy any ambadika any ny vahoaka fa miandry kosa fandraisana andraikitra mba ho fanatsarana ny farim-piainan’ny daholobe. Ny asa efa ifampitadiavna, ny karama zara raha misy, tsy mahatody iray volana akory nefa dia mbola tadiavin’ny Fanjakana hanombinana amin’ny alalan’ny karazan-ketra vaovao indray izany. Soa ihany aloha fa tsy raikitra ilay tetibola hividianana 4×4 ho an’ny depiote fa raha tsy izany dia borona tanteraka teto ity firenena efa mikisaka amin’ny kibony araka ny filazan’ny mpanakanto azy ity.
Niala maina aloha izany ireo depiote tia tena tamin’iny resaka iny nefa heverina fa tsy hipetra-potsiny izy ireo ary tsy hanaiky lembenana satria mbola manana ny fomba rehetra hahafahany mitaky ireo fiara. Ho hita eo izay fihetsiky ny fitondram-panjakana na ho sahy hijoro hatramin’ny farany tsy hanome 4×4 ireo depiote na hilefitra ka hanaiky ny zava-misy..
Ravalo tsy Manana