Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Anosy – Mandrahona ireo mpivarotra amin’ny vodim-basy ireo polisy

Ekena ary tsy misy ady hevitra fa voararan’ny lalàna ny fivarotana amoron-dalana eto an-drenivohitra. Hita fa miha madio ny tanàna satria tsy dia misy intsony ireo mpivarotra izay nesorina vonjy maika miaraka amin’ireo mpangataka aman-jatony. Mbola maro ihany anefa ireo mpivarotra izay mijanona eo amin’ny toerana mahazatra azy ary miandry fanenjika amin’ireo polisy. Ireo mpivarotra voankazo sy ranom-boankazo ary ireny kojakoja majinika ireny no tena mibahana eny. Rehefa tezitra tamin’izany ireo polisy nasionaly mihaodihaody eny amin’ny manodidina dia nidina ka nandrahona ireo mpivarotra. Tsy vitan’ny nandroaka ny entan’ireo mpivarotra tsy tafatsoaka anefa izy ireo fa mbola nandrahona tamin’ny vodim-basy ihany koa. Ireo mpivarotra sasany tafatsoaka indray dia mbola mananihany azy ireo, vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo polisy. Rehefa lasa anefa ireto farany dia miverina mamelatra entana ihany ireo mpivarotra dia raikitra indray ny fifanenjehana. Miteny mihitsy aza ireo polisy amin’izany hoe « Ho avy izahay ary ataovy tratranay eo ». Fiteny izay tsy tokony hivoaka ny vavan’ny manam-pahefana, izay tokony ho fitaratra eny amin’ny fiarahamonina. Ankoatra izany anefa dia misy ireo  mpivarotra mitaraina fa misy manao kolikoly ny sasany amin’ireo polisy. Mpivarotra baiboly iray mitoby eo anoloan’ny tranoben’ny Antenimeram-pirenena eo Anosy no saika nodarohan’ireo polisy roalahy. Nanala azy tao amin’ny toerany ireo polisy ary tsy nanaiky ny hiala ity raim-pianakaviana. Nilaza ihany koa izy fa maro ireo mpivarotra tsy esorin’izy ireo anefa efa nijanona efa hatramin’ny maraina teo. Izy anefa vao namelatra entana dia efa avy ireo mpitandro filaminana manala azy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre