Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Cenam 67a – Nandona ramatoa be ny fiaran’ny frankofonia

Iaraha-mahalala ny fahaterana sy ny fitohanana misy eto an-drenivohitra anefa dia mbola sahin’ireo mpitandro filaminana na ireny « escorte » ireny ihany ny misetrasetra manao kely tsy mba mamindro amin’ireo fiara tsotra sy mpandeha tongotra. Azy tokoa ny fahefana ka manao izay tiany hatao ireo « cortèges » mpitondra manam-pahefan’ny frankofonia. Omaly dia lozam-pifamoivoizana mahery vaika roa no nitranga teto an-drenivohitra. Ny voalohany dia teny amin’ny faritry 67ha iny. Teo alohan’ny Cenam raha ny marimarina kokoa. Nanao di-doha nanivaka tamin’ny lalana tsy azo iverenana  na ireny lalana « sens unique » ireny ilay fiara ka nahavoadona ramatoa be niampita iray. Voadona mafy tokoa io ramatoa io araka ny vaovao azo ary tsy mbola fantatra na noentina aiza ary natao inona izy amin’izao fotoana izao. Ny azo lazaina aloha dia naratra mafy izy satria haintsika ny fandehanan’ny mpamily ireny fiara  fitondrana manam-pahefana ireny rehefa mandeha eny amin’ny arabe.

Ny faharoa kosa dia niseho tsy lavitra ny toerana hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia eny Ivato. Teo alohan’ny tobin-dasantsy Shell no niseho ilay loza. Motard iray, fiara tsy mataho-dalana iray ary fiara kely iray no indray simba tamin’izany. Raha ny vaovao azo dia vokatry ny fandehanana mafy diso tafahoatra hatrany no nahatonga ity loza ity. Nifandona ireo fiara roa ireo niaraka tamin’ilay kodiaran-droa ka vokatry ny hafainganam-pandeha dia tsy nahatana familiana ny mpamily roa tonta, hany ka nivily ary latsaka tany anaty tatatra ilay fiara iray. Ilay moto kosa dia potika ary vaky daholo ny jirony. Hita tamin’izany ny hamafin’ny fifandonana satria naratra ary nobataina haingana teo ambonin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izy ary nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly. Nitangorona ny olona ary voalaza fa tsy azo nalaina sary izany zava-niseho izany. Tsy ela akory anefa dia niparitaka tao amin’ny serasera samihafa ny vaovao arybhankina ireo mpitandro ny filaminana. Tsy mbola tapitra tanteraka ny fihaonam-be ary tsy mbola hay izay hafitsok’ireto farany. Asa, firy indray ny lozam-pifamoivoizana hitranga.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre