Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Salon de l’Industrie de Madagascar – Maro no liana sy nitsidika ny trano hevan’ny Cnaps

Rehefa mahazo fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa dia mitombona tsara amin’ny asany, milamin-tsaina fa tsy mitebiteby, milamina ny hoaviny, ka dia mazava ho azy fa mazoto mamokatra izy. Izay indrindra no nahatonga ny Cnaps nandray anjara amin’ny Sim (na ny Salon de l’Industrie de Madagascar) eny Tanjombato izay nanomboka ny alakamisy teo ary tsy hifarana raha tsy rahampitso  alahady . Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny toniam-pitantanan’ny Tahirim-pirenena rahateo, izay tarihin’i tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul ny fanatonana ny vahoaka eny ifotony. Koa tsy mianona fotsiny eny amin’ny birao foibe Ampefiloha ny Cnaps fa nanangana trano heva mandritra ny Sim. « Ao anatin’ny efatr’andro dia misy ny toro-hevitra omena ireo mpitsidika mikasika ny asan’ny Cnaps, ireo tolotra omeny amin’ny fanampiana ny mpiasa sy ny vady aman-janany, ny fanampiana raha tra-doza na marary am-perin’asa ary ny fisotron-dronono. » hoy i Rabodoarijaona Zoelina izay mpanara-maso ny asa eo anivon’ny Cnaps.

Isan’ireo nitsidika ny trano heva i Sarobidy, renim-pianakaviana mpikarakara tokantrano. Ny resaka volan’ny bevoka no nangalany fanazavana tamin’izany satria bevoka telo volana handray efa-bolana ny kibony, ka fotoana indrindra izao hanaovana sy hamenoana ny fangatahana eny anivon’ny Cnaps. Ny vadiny araka izany  no miasa amin’ny orinasa tsy miankina. Maro ny sokajin’olona liana momba ny Fiahiana ara-tsosialy tetsy anivon’ny Sim Tanjombato. Nanontany mikasika ny fisotron-dronono rehefa mijanona amin’ny asa kosa Sandrine izay miasa amina orinasa tsy miankina iray eto an-drenivohitra. « Afa-po tamin’ny toro-hevitra  sy ny fandraisana nomen’ny mpiasan’ny Cnaps teto amin’ny trano heva taty amin’ny Sim ny tenako hoy izy ary amiko dia tena ilaina ny manana fidiram-bola miditra rehefa mitsahatra amin’ny asa indrindra manoloana ny fahasarotan’ny fiainana ».

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre