Dia ahoana ny tohiny?
Indray mipololotra toy ny sigaran’ny mafiady ihany ve sa haharitra mandrakizay toy ny tsio-drivotra namboarin’ny zanahary? Io no fanontaniana miverimberina taorian’ny nifaranan’ny nandraisan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny tany miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay. Nampiova betsaka ny zava-nisy teto amin’ny firenena iny zava-nitranga iny satria toa nahavita nanery ny mpitondra Fanjakana haka fanapahan-kevitra hanatsara ny tanàna. Namboarina ny lalana, notapenana ny lavaka, nodiovina ny tanàna ary nampiharina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Hita fa vahoaka mpankatoa ny malagasy ary nanaiky sy nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fandaminana rehetra. Nosakanana tsy hianatra ny mpianatra dia naato ny fampianarana ary nijanona tany an-tranony avokoa ny kilonga, noterena hivily lalana sy handefitra ny mpitondra fiara dia nanaraka izany tamin-kalemem-panahy. Notenenina tsy hitabataba sy hitroatra ny mpanao politika dia nangina tsy nisy niteny. Izany hoe tena nampiseho iny frankofonia iny fa vahoaka hendry sy milamina ary mahay manaja ny toro mariky ny fitondram-panjakana ny malagasy. Vita anefa iny ny fivoriana ary efa lasa nody tsikelikely ny vahiny na dia misy ampahany mbola hijanona hanao fizahantany sy hitady hirika amin’ny fandraharahana aza. Ahoana indray izany izao no ho tohin’ny raharaham-pirenena. Hahavita hitazona ny hafainganam-pandeha tamin’ny fanatanterahana ny asa nentina nandraisana ny frankofonia ve ny fitondram-panjakana. Hisy tohiny ve ny fanadiovana an’Antananarivo sy ny manodidina ary ho hamafisina ny fampiharana ny lalàna izay mandrara ny fivezivezen’ny posy sy sarety ary kalesa izay tena manelingelina ny fifamoivoizana. Firy indray izany izao ny trano be sy toerana maoderina hatsangana mba ho an’ny vahoaka? Dia firy ihany koa ny lalam-baovao ho vitaina ao anatin’ny fotoana vitsy?
Mety hilaza ny sasany hoe fanontaniana kidaladala ireo nefa tena mitombina ary tsy misy diso na iray aza. Raha jerena tokoa mantsy ny fahavitrihan’ny fitondram-panjakana tamin’ny asa natao nandraisana ny frankofonia dia hita fa tena nanana finiavana hanao zavatra, ho an’ireo vahiny nasaina. Koa raha ny vahiny aza nomem-boninahitra sy notompoina, mainka fa ny tompon-trano indray ve no hailikilika. Mpandalo sy niserana tao anatin’ny herinandro monja mantsy ireo mpandray anjara tamin’ny fivorian’ny frankofonia fa ny vahoaka malagasy dia efa teto Madagasikara hatramin’ny voalohany ary inoana fa mbola hitoetra eto mandra-piavin’ny fara andro. Nisy rahateo ny velirano sy fampanantenana nataon’ny mpitondra ho an’ny vahoaka fa hiasa hanangana fotodrafitrasa sy hanao tetikasa maro hoentina hampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka izy ireo. Fotoana izao hampisehoana izany ary hanaovana tsaratsara toy izay natao ho an’ny frankofonia. Ny mpitondra rahateo dia tsy nitsahatra namerimberina fa hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena iny fivoriamben’ny mpiteny frantsay iny. Miandry ny fampandrosoana sy ny tombontsoa maro azo avy tamin’iny frankofonia iny ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Hidina tampoka ve izany ny vidim-piainana sa ho foana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny endriny rehetra. Halalaka amin’izay ihany koa ve ny fivoriana sy ny fanehoan-kevitra ka tsy ho ravan’ny Emmoreg intsony satria efa mba nanaiky ny antson’ny mpitondra tamin’ny fampiatoana ny hetsika sy kabary politika ny mpanohitra nandritra ny fandraisana ny frankofonia?
Andrasana, noho izany, izay tena fiovana goavana naterak’iny frankofonia iny ary inoana fa samy miandrandra zavatra tsara avokoa ny rehetra dia ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy. Samy maniry ny handrosoan’ny firenena ny rehetra ary samy mivavaka mba hisian’ny filaminana sy ny fifankatiavana ary ny firaisankina saingy ny tsy fahatanterahan’izany no mahatonga disadisa lava eto.
Ravalo tsy Manana