Nosy Sainte Marie – Vazaha mpizahatany natelin’ny ranomasina
Vazaha lahy iray mpizahatany, no maty natelin’ny ranomasina tany Sainte Marie, omaly vao mangiran-dratsy. Araka ny fanazavana dia miisa 8 mianadahy izy ireo no tonga nitsangatsangana sy naka rivotra tany an-toerana nandritra ny herinandro. Ny sabotsy kosa dia nandeha nijery lalao baolina lavalava izy ireo ary taorian’izay, nandeha tany amin’ny trano fandihizana. Efa tamin’ny 4 ora maraina vao nody ny alahady ary nandeha lakana. Voalaza fa efa mamo be ireo vahiny ireo ary efa nampitandrina azy ilay mpitondra lakana mba tsy hipelipelika. Tsy hay izay zava-nitranga fa nivadika ilay lakana nefa efa teny amin’ny 30 metatra akaikin’ny sisin-dranomasina. Tsy hita popoka nandritra ny fotoana tsy voafaritra ny vazaha iray ary efa vatana mangatsiaka sisa no natsingevan’ny rano. Araka ny vaovao azo tany an-toerana dia karazan’ny fety farany niarahan’izy ireo niala voly tao Sainte Marie io tamin’ny sabotsy alina io satria voalaza fa tokony hody any an-dafy anio izy ireo.
Raha ny tombatombana dia ny sangisangy vokatry ny hamamoana no mety nahatonga ny loza. Na izany aza, misy hadisoan’ny mpitondra lakana ihany satria tsy tokony hitondra olona mamo izy no sady tsy tokony handeha amin’ny andro mbola maizina ihany koa. Efa misokatra ny fanadihadiana ka ny mpitandro filaminana ihany no afaka mamoaka izay tena nahatonga izao vahiny maty an-drano izao. Tsikaritra kosa tato ho ato fa nisesisesy ny vahiny namoy ny ainy tamin’ny fomba hafahafa tany amin’ity Nosy ity. Vao amam-bolana izao no nisian’ireo mpifankatia sady mpanao fikarohana nisy namono. Toy izany ihany koa ilay mpandraharaha voalaza fa maty nokaikerin’ny alikany ihany.
Dom