Fiara golf nifandona tamin’ny taksibe – Tsy nahatsiaro tena ilay zaza volana
Tsy fitandremana ary fanaovana zavatra tsy ampisainana no nahatonga ity loza mahatsiravina tany Mahajanga omaly ity. Fiara iray marika golf no nifandona tamin’ny taksibe iray teo alohan’ny kianja Rabemananjara ka naratra mafy tamin’izany ny zazakely vao iray volana monja sy ny renin’ilay zaza nipetraka tao amin’ny seza aloha, akaikin’ny mpamily. Tsy firaharahiana tsotra izao fotsiny ny an’ity raim-pianakaviana nitondra ity fiara ity satria raha ny vaovao azo dia mamo tampona izy nitondra ilay fiara. Nisy naleha maika ireto fianakaviana ka tsy maintsy nitondra fiara rangahy na dia mamo aza. Ilay renim-pianakaviana izay tsy nahay nitondra fiara kosa voa mainka nipetraka tao aloha. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy azo ipetrahan’ny zaza, ao amin’io toerana io. Nandeha mafy tokoa izy ka vokatr’izay fihoaran’ny hafainganam-pandeha izay dia tsy nahatana familiana izy. Vokatr’izay dia nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka iray izy ireo.
Rehefa nidona tamin’ilay taksibe ity fiara izay golf type 4 ity dia nivoaka avy hatrany ny « airbag » noho izy azo lazaina ho efa manara-penitra eo amin’ny lafiny fiarovana ny mpandeha. Nidona mafy tamin’ilay zaza menavava anefa io fiarovana io ka nitarika ratra teo aminy. Araka ny vaovao azo dia naratra mafy teo amin’ny tendany. Voamarin’ireo nanatri-maso izany satria na ilay reniny aza naratra ihany koa. Ny hamafin’ny dona rehetra noho izany dia nifatratra tamin’ilay zaza avokoa. Rehefa nahita izany ny fokonolona dia niroso avy hatrany tamin’ny famoahana ireo olona taraiky tao anaty fiara ka nitondra ilay zaza naratra tany amin’ny hopitaly Androva. Tsy mbola misy mahalala hatramin’izao ny toe-pahasalaman’ity farany fa ny voalazan’ny olona dia misy faritra mandeha rà eo amin’ny tendany.
Ra Tax.