Ambohimasoa – Tratra ireo dimy lahy mpanafika taksiborosy
Mandry tsy lavo loha ny vahoaka Malagasy. Ny fitadiavana koa mahazaka maniraka na dia miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny tahotra aza mivoaka ny trano noho ny asan-jiolahy. Tena miaina ao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka ny vahoaka Malagasy ary tsy mifidy toerana sy faritra izany ankehitriny. Miseho amin’ny endriny maro izy io, toy ny halatr’omby, ny vaky trano, ny fanakanan-dalana, ary matetika dia miafara amin’ny faharatrana na famoizana aina mihitsy rehefa tsy mahita izay ilainy ireo jiolahy na raha toa ka sendra manohitra ny fihetsik’ireo olon-dratsy izay tafihan’izy ireo. Ny alahady 20 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia nitrangana fanakanan-dalana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, izay mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa tany amin’ny Pk 337+200 Antaretra, fokontany Sahamadio, kaominina Vohiposa ao anatin’i distrikan’Ambohimahasoa. Dimy lahy ireo olon-dratsy no nanao ity fanafihana ity. Taksiborosy iray avy any Fianarantsoa ho aty Antananarivo no nosakanan’izy ireo tamin’ny vato be tao aloha sy tao aoriana. Araka ny loharanom-baovao dia lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 20 tapitrisa ariary an’iray tamin’ireo mpandeha sy 8 alina ariary an’ny mpamily. Tsy nisy nanohitra azy ireo ny mpandeha rehetra tao anaty fiara fa rehefa lasa kosa izy ireo dia nampandre ny mppitandro filaminana izy ireo. Notantrahina taorian’izay ny anarahan-dia ka tratra daholo izy dimy lahy nananao ny fanafihana. Ny borigadin’ny zandarimaria ao Vohiposa no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana ireo jiolahy.
Farah