Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Tsy fantatry ny frantsay !

Niavaka be ny fitsidihana nataon ‘ny filoha frantsay François Holalnde teto Madagasikara tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tamin’ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Tsidim-pahitra araka ny fomba fiteny satria nanatrika ny fivoriana fotsiny izy dia nihaona tamin’ny teratany frantsay dia lasa nody. Tsy nanatrika akory ilay valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fiafaran’ny fivoriana. Niavaka tamin’ireo filoha frantsay efa nandalo teto i François Holland satria tsy nampiseho fihetsika manaporofo ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Efa nandalo teto Madagasikara izany François Mittérand izany tamin’ny andron’ny Filoha Ratsiraka teo amin’ny fitondrana ary tena nidina ifotony nifangaro tamin’ny vahoaka mihitsy fa tsy nisora-tena ho vazaha be tsy mila malagasy. Nampitolagaga izao tontolo izao mihitsy ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany satria toy ny mpanajaka kely no nandraisan’ny vahoaka an’i François Mittérand. Nanomboka teny Ivato nandalo an’i Talatamaty sy Ambohibao, sy Ambohimanarina mandra-pahatonga teto afovoan-tanàna dia olona an-tapitrisa no nanara-morona ny arabe rehetra ary nanofahofa saina frantsay sy ny soratra « tonga soa Mittérand ». Nampiseho izany fihetsika rehetra izany fa tena mbola nifankahazo tsara ny frantsay sy ny malagasy tamin’izany fotoana izany.  Efa teto ihany koa ny Filoha Jacques Chiraque tamin’ny fitondran-dRavalomanana ary tsy nifankaiza tamin’ny nataon’i Mittérand ny zavatra nataony. Nitokana fotodrafitrasa goavana izy vita tamin’ny fiaraha-miombon’antoky ny firenena roa tonta ary nankasitrahan’ny vahoaka izany fihetsika nataony izany.

Farany teo anefa toa tsy nipoipoitra mihitsy i François Hollande nefa dia milaza ny frantsay fa ry zareo no mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara. Misy rahateo ny fifandraisana ara-tantara eo amin’ny firenena roa tonta satria i La Frantsa « reny malala » no nanjanaka sy nambotry an’i Madagasikara nandritra ny 70 taona teo ho eo. Mandrak’androany dia mbola manana ny anjara toerany sy ny heviny eo amin’ny fanovàna ny raharaham-pirenena eto amintsika i La Frantsa ary porofon’izany dia niongana avokoa izay filoha tsy notohanany. Nanao ny lohany nanohitra ny kapitalisma ary nitodika tany amin’i Rosia sy ny sosialisma ny filoha Ratsiraka ka niongana no niafarany. Nanangana ady tamin’ny frantsay ny filoha Ravalomanana nefa tsy ampy herin-taona taorian’ny nandroahana ny ambasadaoron’i Frantsa dia niongana ihany koa. Farany teo dia tsy nahazo ny fanohanan’ny frantsay intsony Rajoelina dia iny voatery niala iny. Amin’izao fotoana izao dia hita fa somary mangatsitsiaka ny fifandraisana eo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy François Hollande. Dia hirodana ihany koa ve izany ny fitondrana Hvm? Mety ho sarotra ihany anefa izany satria na i Hollande aza dia tsy haharitra ela eo amin’ny toerany intsony. Efa rivo-baovao izao no mitsoka amin’ny politika maneran-tany ka voatery miala tsikelikely ireo vondron’ny filoha tandrefana niray hina sy najakazaka tamin’izao tontolo izao. Tsy azo atao na inona na inona fa manana ny lohany ny praiminisitra anglisy vaovao izay vehivavy, toy izany ihany koa ny an’i Aostralia, farany teo dia io fa nahazo toerana ny Filoha amerikanina vaovao izay tsy tarik’i François Hollande sy Angela Merkel mpitantana an’i Alemana. Rivotra politika vaovao izao no mitsoka ka na tsy hiraharaha an’i Madagasikara aza ny filoha frantsay amperin’asa dia tsy olana firy ho an’ny firenena izany. Izy rahateo inoana fa tsy haharitra ela ao amin’ny toerany satria ny vahoaka frantsay efa tsy dia mankasitraka azy firy loatra noho ny politikam-pampandrosoana sy ny fiarovana ny vahoaka napetrany tsy dia mahomby loatra. Soa ihany izy fa tsy nijanona naharitra teo sao sanatria nitongavan’ny mpampihorohoro teto ny malagasy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre