Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Ambohitsara – Nosy Varika – Trano 400 tafo may, olona miisa 1020 traboina

Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao amin’ny tanàna iray mitondra ny anarana Ambohitsara, ao amin’ny kaominina Nosy Varika ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, trano manodidina ny 400 isa no may kilan’ny afo ary olona mahery ny 1020 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva teo ho eo no nanomboka ny fahamaizana. Raha ny fantatra dia trano kely iray tany an- toerana no fantatra fa niaingan’ny afo, izay mbola tsy mazava hatreto ny tena antony. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nijoalajoala ny afo ary niampita tamin’ireo trano rehetra manodidina. Nahery rahateo ny fitsokan’ny rivotra ka nanamora ny fiparitahan’ny afo. Raha ny voalazan’ireo niharam-boina dia mitentina 60 tapitrisa ariary ny entana ravan’ny afo tamin’izany. Ankehitriny moa dia betsaka amin’ireo olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanara-baovao, no mametra-panontaniana amin’ity haintrano mahatsiravina tsy misy fiafarany eto amin’ny firenena ity. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nisy ny olona maty raha toa ka mamono olona hatrany ny haintrano tato ho ato. Mazava ho azy fa ankoatra ireo olona maty ireo dia maro ihany koa ireo harena sy fananana may kila forehitra. Tsy fitandremana tokoa ve sa mety misy ambadika hafa ny fahamaroan’ny haintrano eto amintsika? Na ny eto an-drenivohitra, na ny any amin’ny faritra. Saika ho isan-kerinandro no aharenesana fahamaizana trano maro tahaka ity nitranga tany Ambohitsara – Nosy Varika ity. Ny azo atao angamba sisa dia ny mitandrina fatratra amin’ny afo ao an-tokantrano.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre