Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Fianarantsoa – Zazakely maty hita tao anaty fanariam-pako

Tsy vao izao no nisy tranga mampalahelo toy itony fa azo lazaina ho efa mpiseho matetika ihany. Midika izany fa maro ireo ray aman-dreny mbola manary zanaka amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra na noho ny tsy fahampiana no mahatonga azy hanao ireny na tsy fitiavana hitaiza fotsiny tsotra izao. Omaly maraina dia zazakely mena vava iray efa maty no nisy nahita tao anaty fanariam-pako iray tao amin’ny fokontany iray ao Fianarantsoa. Raha ny vaovao azo dia mety nariana vao haingana ilay razana kely satria mbola nahitana diana rà velona teo amin’ny manodidina. Efa feno lalitra sy efa nasiso io razana io ary mbola hita teny aminy ihany koa ny tadim-poitrany. Marihina fa tsy nanao akanjo io zazakely io tamin’ny fotoana nahitana azy. Maro amin’ireo nahita izany no nilaza fa mety vao teraka mihitsy izy io narian’ny reniny io. Ankoatra izany anefa dia misy miteny fa zaza sampona io hita io. Voaporofo tokoa izany tamin’ny fahitana ny tongony misintaka lavitra. Toy ireny misabaka ireny. Tsy fantatra mazava anefa ra tena izay tokoa no izy na efa navadibadiky ny alika teo ilay razana. Na izany na tsy izany dia mampalahelo foana ny toe-javatra toy izao ary meloka hatrany ireo ray aman-dreny niteraka ilay zaza. Mitaky noho izany ny mponin’ny Fianarantsoa mba hikarohana ary hanasaziana mafy izay nanao izao habibiana izao satria sady voararan’ny lalàna izany no heloka eo anatrehan’Andriamanitra.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre