Mahajanga – Mampiahiahy ny fivarotan-tena miafina ao an-toerana
Tsy mitsaha-mitombo ary tena mampiahiahy tokoa ny fitomboan’ny tovovavy mivaro-tena any amin’ny tanànan’i Mahajanga. Tsy mifidy vanim-potoana intsony fa mandavan-taona na fialan-tsasatra na tsy fialan-tsasatra. Ankoatra an’i Mahajanga izay tanàna mandray hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena matetika ao anatin’ny taona iray dia antony voalohany mahatonga ity tranga ity miroborobo ihany koa ny fananany toerana betsaka azo ialana sasatra eto Madagasikara. Tanora avokoa ny 60 isanjaton’ny mponina ao nefa dia 1 ampaha-dimin’ireo tanora ireo ihany no mba manana antom-pivelomana raikitra. Noho ny fahantrana sy ny tsy fananana asa ny anton’izany, izay tena mitombo dia mitombo tokoa manerana ny faritra maro eto Madagasikara indrindra fa ivelan’Antananarivo.
Mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ity asa, izay azo lazaina ho ela indrindra maneran-tany ity dia nitety fokontany maromaro izahay ka nanontany lehilahy vitsivitsy tamin’ny faritra nandalovanay. Mivelona amin’ny fitondrana Bajaj ny ankamaroan’ny lehilahy any an-toerana na mitarika posy. Ao koa ireo izay mba miaina amin’ny asa tselika etsy sy eroa na business hoy ny fiteny azy. Araka ny zava-misy iainan’ny mponina andavanandro any an-toerana dia tsy mahagaga raha mirona mankany amin’ny fivarotan-tena ny ankamaroan’ny vehivavy. Tsy mifidy sokajy izany na efa manambandy na tsy mbola manambady na antitra na tanora. Eny fa hatramin’ny zaza tsy ampy taona aza dia mandeha amin’izany asa mamoafady izany rehefa tarihin’ny namana. Dimy amin’ny lehilahy dimy nanontanianay dia nanamafy fa mihoatra ny 50 isanjato ireo vehivavy ao Mahajanga no mampirafy mba hitadiavana vola. Ireo tanora no tena voakasina amin’izany. “Môny misôma”, izany hoe vola no miteny raha adika tsotra, izay indray izao no teny eny ambavan’ny rehetra rehefa mandeha eny an-dalana ianao. Tsy fantatra intsony na hoe iza no mpivaro-tena dia iza no tsy izy. Mampiasa fomba fiteny mihitsy izy ireo amin’izany mba hisitrihana ny fijerin’ny fiarahamonina. Eo ny fampiasana finday ary eo koa ny mody mifangaro amin’ireo mpitsangatsangana eny amin’ny “bord de la mer”.
Safidy Andrianina