Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Manjakandriana – Voatsindron’ilay tompon-trano teo amin’ny fony ilay jiolahy

Miha mitombo isa ary mampitondra faisana etsy sy eroa amin’izao fotoana izao ireo jiolahy. Tsy vitan’ny manafika mitam-piadiana mahery vaika anefa izy ireo fa sady mamono olona no manolana ary mbola mandoro ny tanàna avy notafihany ihany koa. Ny zoma lasa teo dia nitrangàna fanafihana mitam-piadiana teo amin’ny fokontany Ankora ao amin’ny kaominina Alarobia ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo no niseho izany ary araka ny vaovao voaray dia efa avy nanafika tany amin’ny tanàna hafa tsy lavitra akory izy ireo. Jiolahy maromaro noho izany no nikasa hanafika tokantrano iray ka niara-nirodorodo ry zalahy. Raha naheno izany anefa ilay tompon-trano dia efa niomana ny handray azy ireo tamin’ny fitaovam-piarovana, dia ny antsy lava lela izany. Vao niditra ny iray tamin’izy ireo dia voaletra ny antsy teo amin’ny faritry ny fony ary tsy maty teo noho eo anefa ity farany. Nitsoaka ireo namany ary nentin’izy ireo koa ilay naratra mafy. Rehefa afaka 100 metatra anefa dia navelan’ireo namany fa tsy zakany ilay naratra ary efa nijininiaka be ny rà. Maty vokatry ny fahaverezan-drà noho izany ity farany ary tsy nisy nahafantarana ny mombamomba azy. Naterina ao amin’ny CsbII Ampanarivo ny vata mangatsiakan’io jiolahy io. Ireo namany kosa dia tafatsoaka ary mbola mitohy ny fanarahan-dia.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre