Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Zotra Mitsinjo 144 – Saika novonoin’ny mpandeha ny mpamily, nandositra ilay mpanampy

Tsy zotra iray na roa no tsy manaja mpandeha fa maromaro . Vao tsy ela izay no nisy taksibe mampitohy an’Ambolokandrina sy Ampefiloha no tsy nanaraka ny lalana tokony handehanany fa avy hatrany dia nihazo an’Ankazotokana. Nahavoadona raim-pianakaviana nandeha bisikileta ary tsy mba nijanona akory fa nandeha nanohy ny diany hatrany na dia tsy naratra aza ilay rangahy. Omaly indray dia taksibe iray ao amin’ny kaoperativa Mitsinjo 144, mampitohy an’Ambohimahitsy sy Analakely no nanome fanafitohinana sy nampatezitra ny mpandeha tao anatiny. Tsy manana fahazoan-dalana miakatra eo Mangasoavina ity zotra ity fa tsy maintsy manaraka ny Besarety izay vao miakatra Andravoahangy- ambony.  Tsy mba nisy era sy dinika anefa fa avy hatrany anefa dia navilin’ilay mpitatitra niakatra an’I Mangasoavina ny fiara ary nihazo an’Ampahibe dia nihodina tany Bel’air. Teo anatrehan’izany, tezitra ny mpandeha satria ny tsy fahalalam-pomba mahazatra azy ireo hatrany no nasehon’izy ireo ny mpandeha. Tsy mba nisy ny fanajana na dia teny kely mba fiangaviana fa izy ireo indray no mivatravatra tamin’ny mpandeha. Tsara hotsindrina fa avy ny orana talohan’io fotoana nandalovana teo. Saingy tsy nisy rano niakatra kosa teo Besarety rehefa notazanina avy eny Andravoahangy ambony satria izay no antom-panazavana nomen’izy roalahy ny mpandeha.  Vokany, saika novonoin’ny olona ilay mpamily, tao ny naka ny takela-panondroana ny toerana iantsonana. Ilay tovolahy mpanampy ny mpamily kosa nandositra avy hatrany rehefa tonga teo amin’ny Rasalama.  Mila miray hina ny tompon’andraikitra amin’ireny kaoperativa ireny ary mampianatra fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina ny mpamily sy ny mpanampy azy mba hisorohana ny fifandonana amin’ny mpandeha.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre