Vous êtes ici :

Mardi 05 Novembre 2024

ombre

Nandalo fotsiny ihany !

Raha tena mitombina ny filazan’ny fitondram-panjakana fa olona an’arivony maro no nahazo asa tamin’ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia dia olona an’arivony ihany koa izany izao no lasa tsy an’asa. Amam-bolana maro no nikarakarana iny fihaonana iny ary nambaran’ny fitondrana fa nahafahana namorona asa ho an’ny sokajin’olona maro samihafa. Vita anefa izy iny ary miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Izany hoe lasa hanampy isa ireo tsy an’asa indray ireo efa mba nihiratra kely ny androm-piainany. Aiza ho aiza, ary inona no drafitra tan-tsoroka entina hamahana izany olana izany. Hatreto aloha tsy mbola nisy nilaza fa hanohy ny fampiasana ireo mpahazo tombontsoa tamin’ny frankofonia. Na ny foibe ao Ambohitsorohitra aza dia inoana fa betsaka no voatery hiala ao ny mpiasa satria vita ny nilana azy ireo. Tena fahavoazana raiki-tapisaka tsy mampandroso ity firenena ity mihitsy ny resaka tsy fananana asa. Voatery mamorona foto-pivelomana ny ankamaroan’ny olona ary izany no miteraka tsy fanarahan-dalàna etsy sy eroa. Amin’izao vanim-potoana fanomanana ny asaramanitra izao dia ho maro indray ireo mpivarotra tsy ara-dalàna no hanao vy very ny ainy hanemitra ny araben’Antananarivo. Ny volana desambra hitsidika rahampitso mantsy no mampandeha io fidiram-bola iray io. Efa hanomboka izao ny tsenan’ny noely ka hihazakazaka hampiasa vola any avokoa izay afaka manao izany. Tsy ireo mpivarotra amoron-dalana mahazatra ihany no hisehatra amin’ny varotra fitafiana sy kilalao ary sakafo fa ny sokajin’olona rehetra tsy manana asa mazava dia hirotsaka any avokoa.

Eny Soarano izao hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia efa mirongatra be ny mpivarotra amoron-dalana. Fomba fiteny ihany io fa tena mpivarotra anaty arabe mihitsy no filaza azy ireo. Ampahany kely zara raha misy sisa no azon’ny fiara ampiasaina amin’ilay lalam-be vao avy nasiam-panitarana mba hampizotra tsara ny fifamoivoizana. Tsy hita izay hanaovana azy satria tena voatery manao asa tena sy mivarobarotra kely etsy sy eroa ny olona rehefa tsy mahita asa. Toy izany ihany koa ireo mpitaona entana amin’ny endriny samihafa. Ny sarety sy ny kalesy izay lazaina fa tsy ara-dalàna izao dia iaraha-mahita fa mbola mifamoivoy eto amin’ny araben’Antananarivo. Tsy vitan’ny manam-pahefana ny mandrara azy ireny satria foto-pivelomana no voakasika ka sarotra ny hanakana ny olona tsy hitady izay mba hahazoany vola entina ho an’ny ankohonana. Rehefa tena jerena izany dia taratry ny fahantrana sy ny tsy fananana asa no mahatonga ny fikorontanana amin’ny tsena sy ny lalana eto an-drenivohitra. Tsy nitondra vahaolana maharitra ho an’ny renivohitra ny fandraisana ny fivoriamben’ny frankofonia fa nandalo sy niserana ihany. Volana vitsy monja no  mba nahafahan’ireo olona an’arivony niasa tamin’iny frankofonia iny. Herinandro ihany koa no nandraisana andraikitra nentina nandaminana ny fandrindrana ny fifamoivoizana. Teren’ny zava-misy ny vahoaka ka tsy maintsy hiverina hikorontana indray ity renivohitra ity.

Tsy manana politika famoronana asa maharitra ny fitondram-panjakana fa miantehitra amin’ny tranga mandalo fotsiny dia iny no entina hisehosehoana. Raha tena te hamorona asa dia mila manangana orinasa mpamokatra sy maharitra ary afaka mandray mpiasa marobe ny Fanjakana. Mba nampalazaina ihany ilay tetikasa Agoa izay hiarahana amin’ny amerikanina nefa tsy hita izay tena orinasa nitsangana sy asa noforonina tamin’izany fa toa ny teo ihany no teo. Amin’izao fotoana izao dia toa ireo olona mahafantatra sy akaiky ny mpitondra Fanjakana ambony ihany sisa no mba mahazo asa tsara. Iaraha-mahita izao eny anivon’ireny minisitera isan-tsokajiny ireny fa olona iray fiaviana amin’ilay minisitra ny ankamaroan’ny mpiasa raisina, ny hafa kosa dia iray fianarana na iray fikambanana amin’ny minisitra izay tompon’andraikitra ambony ao. Tsy haharitra ela anefa izy ireny satria vao miova ny mpitondra dia ho very asa avokoa.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre