Kiranomena – Lasan’ny dahalo ny omby miisa 50
Saika ho isan’andro no aharenesana halatr’omby manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Nitrangana fanafihan-dahalo indray manko tany amin’ny fokontany Ambatofotsibe, kaominina Kiranomena, distrika Tsiroanomandidy tamin’ny sabotsy 26 novambra 2016 tamin’ny 7 ora hariva. Dahalo 15 lahy no tonga nanafika tao an-toerana ka lasa tamin’zany ny omby miisa 50. Araka ny loharanom-baovao dia nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny zandary avy ao amin’ny borigady Kiranomena niaraka tamin’ny miaramila miisa 4 avy ao Ambatofotsibe. Nandritra izany dia nisy ny fifanandrinan’ireo mpitandro filaminana ireo tamin’ireo malaso tamin’ny 27 novambra 2016 tamin’ny 02 ora tolakandro, teo amin’ny toerana atao hoe Ampamoriana fokontany Bemamporaka kaominina ambanivohitry Fihaonana. Efa vonona tanteraka izy ireo ny hifanandrina tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, dahalo efatra no maty ary tafatsoaka kosa ny 11 lahy. Tsy nisy naratray na maty kosa ny avy amin’ny andaniny. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby miisa 50, noho ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana, izay tsy nikely aina fa niezaka niaro ny fananam-bahoaka tokoa ka voaporofon’izy ireo izany. Tato ho ato dia tsapa ho manao ezaka tokoa ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo dahalo, izay mampitondra faisana ny vahoaka. Rehefa mandray ny andraikitra sahaza sy manandrify tokoa mantsy ny tsirairay dia handry fahalemana ny tany sy ho foana tsikelikely ihany koa ny fitsaram-bahoaka ary hiverina ihany koa ny fanajana ny lalàna eto amin’ny firenena.
Farah