Lozam-pifamovoizana – Vaky ny lohan’ilay mpitarika sarety voadonan’ny R25
Omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any dia nisy lozam-pifamoivoizana, naharatrana olona iray teny Soarano nanoloana ny Pochard. Mpitarika sarety iray hamonjy fodiana no niharan-doza. Fiara marika R25 iray no nandona sarety avy any aoriana. Mafy ny fandonana satria dia nivadika ilay fitaovam-pitanterana entana ka voatsindry tao ilay mpitarika azy. Simba ihany koa ilay fiara satria dia potika ny “pare-choc”. Voa mafy ilay mpitarika sarety satria avy dia tsy nahetsika izy ary tapaka ny valahany, vaky ny lohany. Niezaka nandamina ny polisy teo amin’ny Gara Soarana izay nahatazana ny loza sy nilaza tamin’izy ireo mba hanao ny fifanarahana. Avy hatrany aloha dia nentin’ilay mpamily teny amin’ny hopitaly ilay naratra. Marihina fa mamo ny mpamily ilay fiara, izay fihetsika tsy azo ekena mihitsy eo amin’ny lalànan’ny fitondrana fiara. Endriky ny maha gaboraraka ny fanajana lalàna eto amin’ny firenena izao tranga izao. Tsy dia misy ny fanajana ny lalàna na sehatra aiza io na aiza. Tsikaritra ho tsy matahotra izay sazy intsony ny sasany ka tsy miezaka mitandrina amin’ny fanajana ny lalàna. Betsaka ny lozam-pifamoivoizana rehefa mifaramparana toy izao ny taona ka mila mitandrina ny rehetra . Noho izany tokony hampatsiahy kely ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny tompon’andraikitra hifehezana izay loza mety hitranga. Mila manao fikaonan-doha amin’ny fanamboaran-dalana ho an’ny sarety sy posy ihany koa ny ao amin’ny kaominina hisorohana izay mety ho fitohonana diso tafahoatra.
Tahirisoa