Mpivarotra amoron-dalana – Tovolahy iray torana novelesin’ny Cua kibay
Lasa daholo ny entana no sady torana tsy nahatsiaro tena ilay voavely ny kibain’ireo mavo satroka na ny Polisy Monisipaly eto Antananarivo Renivohitra. Toy ny isan’andro dia raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny solontenan’ny Kaominina an-drenivohitra Antananarivo (CUA) sy ny mpivarotra amoron-dalana tetsy Analakely omaly. Tovolahy iray mpivarotra poketra entin-tanana sy kojakojam-behivavy iray no nenjehin’ny fivondronana. Novelesin’izy ireo tamin’ny ”baton”. Torana tsy nahatsiaro saina izy. Lasani’izy ireo daholo ny entany rehetra fa kely sisa tavela teo aminy. Mbola nobabena izy niala teo fa tsy afa-nandeha. Taorian’ny ilay toe-java niseho, vao tsy ela izay dia nitongavan’ny miaramila iray kamiao ny tao amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo taorian’ilay polisy nikasi-tanàna sy namono vehivavy mitoe-jaza, vadina miaramila mpivarotra amoron-dalana etsy Soarano dia izao miverina izao indray ny herisetra. Marina fa tsy ara-dalana tokoa ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy misy alalàna ka manome fahefana ireo mpitandro filaminana hikasi-tanana olona na dia iray aza. Ahoana moa no hanara-dalàna ny olona satria ny olona natao hampihatra izany aza tsy mahalala izay tokony hataony akory. Eny fa na ireo maka ny entan’ny mpivarotra aza tsy mba manome “contravation” sy manao “Procès verbal” amin’ny entana lasany akory. Fa ny fantatra aloha dia izay lasa any dia mampamangy. Ny hany vahaolana hoan’ny Cua amin’ny mpivarotra amoron-dalana dia ny fametrahana mpitandro filaminana isaka ny metatra maromaro vao maraina ka avy hatrany dia mandrara ireo mpivarotra hamelatra entana ary mandra-pahariva dia toy izany hatrany.
S.A