Tanambao – Dahalo 10 matin’ny fokonolona
Rotaka be tao Mahabo ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Dahalo miisa 10 no namoy ny ainy taorian’ny fifanjevoana tamin’ny fokonolona. Fantatra fa malaso miisa 54 lahy no nanafika tao amin’ny vohitra atao hoe Tanambao, tamin’io fotoana io. Vala 3 no lasibatr’izy ireo ka omby miisa 200 no lasany ary olona mpiaotra no tompon’ireo. Tsy nipetra-potsiny ny fokonolona sy ny tompon’omby izay fantatra fa olona tena manana ny maha-izy azy ka nanao ny fandaminana rehetra ary nifampitaona hanara-dia. Teny an-dalana dia nifanena tamin’ny zandary miisa 9 avy niasa tany amin’ny toeran-kafa ka nitodi-doha nody ny fokonolona. Rehefa nampahafantarina ny zava-nitranga ireo mpitandro filaminana dia nandray andraikitra avy hatrany ka nanampy ireo mpanara-dia. Rehefa nifanehitra tamin’ny dahalo izy ireo dia raikitra ny fifandonana ka io niafara tamin’ny nahalavoan’ireo dahalo 10 lahy ireo. Tato ho ato dia tena nirongatra be mihitsy ny fanafihan-dahalo mahery vaika tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Araka ny fantatra mantsy dia somary nampihena ny fanafihana teo aloha ny fandaminana ny fandriam-pahalemana tamin’ny alalan’ny fametrahana ny dinabe izay paikady tena nahomby hiadiana amin’ireo olon-dratsy. Manoloana izany dia nivondrona ihany koa ireto farany ka lasa mitambatambatra am-polony maro na an-jatony mihitsy vao sahy manao fanafihana.
Dom