Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Maroantsetra – Zaza 8 taona maty voaolana

Vatana mangatsika efa niborina tanteraka sy feno rà sisa no hitan’ny fianakaviany tany anaty bozabozaka tsy lavitry ny tanàna. Tany Maroantsetra no nitrangan’io zava-doza io tami’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Zazavavy vao 8 taona monja no maty nisy namono no sady voaolona tany an-toerana. Fantatra fa matetika io zaza io no mandeha mijery fahitalavitra any amin’ny dadatoany rehefa  alina ny andro ary tsy mody izy amin’izany fa matory any amin’ireo havany. Tamin’ny andro farany nahitana azy velona anefa dia nivoaka ny trano ho any amin’ny dadatoany izy tamin’ny 8 ora alina ary nihevitra ny rehetra fa hijanona hatory any izy. Tsy nody anefa izy ny ampitso ka nanontaniana tao amin’ilay havany manana fahitalavitra nefa nilaza fa tsy tonga tao izy ny alin’io. Teo vao nikoropaka ny rehetra ka nitady azy manerana ny tanàna. Faty sisa no hitan’ny fokonolona sy ny havany tao anaty kirihitra.

Tratran’ny fitsaram-bahoaka

Rehefa nanao fanadihadiana tsotsotra ny mpiara-monina dia tovolahy iray 18 taona izay monina eo amin’ny manodidina ihany no hita fa mahimahina sy hafahafa fihetsika. Noteren’ny fokonolona hilaza izay zava-pantany mahakasika io fanolanana miharo vonoan’olona io izy ary niaiky tamin’ny farany fa izy no tompon’antoka. Tao anatin’ny fo rano mafana ny vahoaka tamin’io fotoana io ary mbola vonton’alahelo sy hatezerana ka tsy nahatana ny totohondry sy daka ary ny karazana daroka rehetra. Tratran’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy mpanolana sady mpamono olona ary efa nokasain’ny fokonolona hovonoina ho faty mihitsy. Nandre izany ny zandary tany an-toerana ka nihazakazaka handamina ny zava-misy. Lavidavitra ilay toerana nitrangan’ny loza anefa ny biraon’ny zandary ka elaela ireto farany vao tonga. Mbola tsy maty ilay mpanolana voadaroka ary nalain’ny zandary ka nentina tany amin’ny hopitaly. Manaraka fitsaboana izy ary maniry ny fahasitranany ny zandary mba hanaovana ny famotorana sy hanolorana azy eo anatrehan’ny fitsarana.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre