Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Aleo hilamina !

Amin’ny faran’ny herinandro izao no hankalazana ny fetin’ny noely. Fety lehibe indrindra maneran-tany izy io ary tsy ho an’ny kristianina ihany fa ny olona rehetra dia mankalaza sy miara-paly avokoa amin’io andro io. Raha vao misy resaka fety dia tsy maintsy misy varotra ao ambadika nefa ihany koa tsy azo hadinoina fa alohan’ny zavatra rehetra dia fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy Mpamonjy izay zanak’Andriamanitra tonga ho olombelona mba hanavotra antsika amin’ny fahotana ny noely. Ny fivavahana kristianina rahateo dia mametraka mazava fa ny fitiavana no lehibe indrindra. Mazava hoazy izany fa fotoana famelan-keloka sy famitranam-pihavanana ny noely. Tsy misy olona tsy diso izany eto an-tany ary ny vy tsy mba mikintrana irery fa matoa misy ny disadisa dia samy nanao ny tsy mety ny andaniny sy ny ankilany. Matetika anefa dia tsy hevitra tsy mifankahazo fotsiny no mihitatra ary lasa mivadika ho ady be avy eo. Isika eto Madagasikara dia tsy mba nilaozana savorovoro sy fifandirana mihitsy tamin’ity taona 2016 ity. Misy aza milaza mihitsy fa toy ny tany voaozona ity nosy ity satria mitranga eto avokoa ny loza isan-karazany. Tsy hay aloha na mitombona izany ozona izany na tsia fa ny azo antoka dia ny hoe azo atao tsara ny mamitram-pihavanana satria ny isavorovoroan-kilantoana. Mila fanetren-tena sy hatsaram-panahy anefa izany fiombonana izany ary ny ratsy saina sy ny mpanao am-po dia tsy mahavita mandefitra mba hisian’ny filaminana.

Io filaminana io mantsy tsy afaka apetraka raha mbola olona mpitahiry alahelo sy mpiandry kendry tohana ary manomana valifaty no maro an’isa eto amin’ny firenena. Ireo mpanao politika dia tena voakasik’izany satria maro no manao ny tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Raha tena tia firenena izy ireo dia mila miezaka mba hampandefitra ny tora-po sy hanalavitra ny lonilony. Disadisa efa nitranga tamin’ny taona 1991, 2002, 2009, sy 2014 no mbola atsikafona sy averimberina hatrany mandraka androany, koa aiza no hisy filaminana eto amin’ny firenena. Tsy misy mihitsy ny finiavana hibanjina ny ho avy lavitry ny savorovoro raha mbola ny gidragidra efa navalon’ny taona nifandimby no mbola fohazina sy asiana sira mba hatao fitaovana politika hanenjehana ny hafa. Raha tena manam-pitiavana sy vonona hiroso amin’ny filaminana ny rehetra dia mila miara-mientana ary mandray ny andraikitra tandrify azy mba hisian’ny fifamelana amin’ireo tsy nitovy hevitra. Azo atao tsara, ohatra, ny manatsoaka ny fitoriana an’i Augustin Andriamananoro izay tokony hiatrika fitsarana anio satria tsy nahafaty olona izy no tsy nangalatra amin’io raharaha anenjehana azy io. Toy izany ihany koa ny kolonely senatera Lylison izay ifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Tsy nahafaty olona koa izy sady tsy nangalatra ary tsy nanakorontana io raharaha anenjehana azy io ka tsy tokony hisy olana amin’ny fitondram-panjakana ny manatsahatra ny fanenjehana azy. Mbola azon’ny vahoaka atao ihany koa ny mamafa ny alahelo sy izay heverina ho tsy nety nataon’ireo filoha nifandimby toe toa an-dRatsiraka, Ravalomanana, ary Rajoelina. Raha mbola misy olona manana fo lotika amin’ireo filoha ireo dia tsy hilamina izany ity firenena ity. Krizy efa nivalona tamin’ny 1991 sy 2002, ary 2009 ve no mbola entina ifandranitana sy ifankahalana amin’izao fotoana izao ? Samy nijaly sy nandraingiraingy tamin’ny vokatr’ireny krizy ireny avokoa ny malagasy rehetra satria niara-nibaby ny vesatry ny fahantrana teto ny rehetra. Ireo mpanao politika ihany no nigoka ny mamy sy nitavana ny harem-pirenena nefa ry zareo indray no vao mainka misintona lakolosy sy tsy manaiky mihavana. Mila milamina amin’izay ity firenena ity ary atomboka amin’ny fanafahana ireo enjehina noho ny resaka politika no mahatsara izany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre