Tonelin’Ambohidahy – Tapaka ny tanan’ny mpisinto-mahery
Faritra mena, raha izay no azo ilazana azy raha iny manodidina ny tonelin’Ambohidahy Analakely iny. Na alina mantsy na amin’ny antoandro be nanahary dia manao ny ataony ireo mpanendaka ary manao ny olona ho tsy inona tsy inona mihitsy satria rehefa avy manendaka izy ireo dia tsy mitsoaka tsy manao inona fa mandeha tsotra tahaka ireny olon-tsotra rehetra ireny ihany. Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro dia nitrangàna fanendahana indray teo amin’io toerana io ary sendra ny tsy nampoizina ity nahavanon-doza ity. Taksibe avy any Anosy mizotra ho any Antanimena no nandehanan’ity rangahy lasibatra ity izay nilalao finday tao anaty fiara nisy azy. Ny fitohanana koa nanao ny nataony ka sady nihaino hira izy no nilalao aterneto tamin’ny findainy. Marihina anefa fa nanidy varavarankely ity lehilahy ity alohan’ny hanaovany izany. Alohan’ny hiditra ny tonelina anefa dia nisy lehilahy tokony ho 25 taona teo ho eo nanokatra tamin’ny tanany ilay varavaram-pitaratra. Nisintona avy hatrany ilay finday raitra teny ampelatanan’ilay rangahy avy hatrany ity mpanendaka ary nihoraka ny iray fiara. Taitra nanaraka izany ilay rangahy ka voarainy tampoka ny tanan’ity mpanendaka ary naolany. Tsy namelany izany raha tsy tapaka sy niolana. Efa niainga mihitsy ny fiara vao navotsony ilay jiolahy. Voa mafy satria tsy azo ilay finday, ny tanana tapaka nefa mbola afaka nitsoaka niakatra iny totohatra mivoaka any Antaninarenina iny izy. Ny polisy nisahana ny fandaminana ny fifamoivoizana tamin’izany dia nijery fotsiny ary na ny hanenjika aza tsy vitany, toy ny nataon’ny olon-drehetra ihany. Inona tokoa moa no hidirany amin’izany, ny filaminan’ny zotra andalam-be ary tsy vitany ara-dalàna.
Ra Tax.