JCI ilon’Iarivo – Nanokatra sekoly ho an’ny zanak’Ambolokandrina
Telo taona no nanoavana ny fanangonam-bola hananganana ity tetik’asa iray izay mitondra ny anarana hoe “Hanangana sekoly miaraka isika”, (construisons ensemble une école). Tanteraka soa aman-tsara izany ankehitriny. Tetikasa izay iarahan’ny « Jeune Chambre International » na Jci Ilon’Iarivo sy ny « Elan du Cœur ». Trano be iray izay manana efitra 5, izay mitsinjara ho toy izao : trano fisakafoanan’ny mpianatra, birao, trano fitsaboana, Trano famakiam-boky sy trano fidiovana natokana ho an’ny ankizy sahirana 108 eo no notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo teny Ambolokandrina, boriboritany faharoa eto Antananarivo renivohitra. Ny lanonana dia natrehan’ireo malala-tanana sy mpiara-miombon’antoko, ny lehiben’ny fokontany sy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Mitentina 106 tapitra ariary no lany tamin’ity fotodrafitrasa ity, izay avy amin’ny « Fondation Telma », Pmu, Socota sy ny groupe Smtp ankoatran’ireo olontsotra nanolotra ihany koa, ary efa afaka mandray mpianatra ny sekoly ankehitriny.
Nandritra ny lanonam-panokafana dia nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fianarana avokoa ny kabary nataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nofaritan’ny rehetra tamin’izany fa ny ankizy no hoavin’ny firenena ary ny tetikasa manome vahana ny fanabeazana ny ankizy toa izao dia tena zava-dehibe tokoa eo amin’ny fandaharan’asa hoan’ny fampandrosoana. Nandritra izany no nanambaran’ny avy amin’ny Fondation telma ny tetikasa hanangana sekoly 100 ary faha 21 amin’izany ny “ Ecole la Victoire”. Nilaza koa ny ministry ny Fanabeazam-pirenena fa vonona hitondra fanampiana amin’ny tetikasa toa izao, indrindra amin’ny fanoratana ara-panjakana amin’ny ara-pitantanana. Farany, tsy hadinon’ny filohan’ny Fokontany sy ny filohan’ireo fikambanana roa, Gaëlle Pless ( Jci Ilon Iarivo) sy Hary Andriantefihasina (Elan du Coeur) ny nisaotra ireo nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Safidy Andrianina