Anjapaly – Renivohitry ny kere
Mahatratra 1,1 tapitrisa ny olona tratran’ny kere eto Madagasikara. Mahatratra 1,5 tapitrisa dolara ny vola havoakan’ny Pnud na ny Programme des Nations unies pour le Developpement) amin’ny taona hoavy io ho an’ny Faritra Atsimo. Izany dia famonjena ireo iharam-boina sy fanampiana iny faritra atsimon’i Madagasikara iny, mba hamoahana ireo mponina izay efa miaina tanteraka ao anaty loza vokatry ny tsy fahampian-tsakafo. Efatra taona lasa izay dia miaritra ao anaty fihafiana ny ireo mponina araka ny fanadihadiana nataon’ny Rfi (Radio France International) tao Anjapaly, izay renivohitry ny Kere no iantsoany azy. Na dia aman-tapitrisa aza ny fanohanana azon’ny Fanjakana malagasy amin’ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo dia zara fa mahazo fanampiana indray mandeha isam-bolana ity kaominina ity, izay efa mitondra mihitsy io anaram-bositra « Renivohitra ny Kere » io. Marihina fa ireo tena sahirana ihany no mahazo izany fanampiana izany ka iny no ifampizarana amin’ny fianakaviana rehetra. Voan-draketa mena sy ny raviny sisa no famenon-tsakafo ohanin’ny olona ary betsaka ireo zaza no matin’ny hanoanana.
S.A