Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Amboanjobe – Voaendaka teo am-panaovana firaisana izy roa

Tsy misy ve ny toerana hafa azo aleha na trano azo hofaina anaovana firaisana ara-nofo sa dia efa loza inona loatra no any anaty ala no nandeha nanao izany. Maro anefa ireo mpifankatia mahazo fiany ary mahafinaritra azy ireo ny manao izany eny ankalamanjana na any anaty natiora. Matetika anefa dia iharan-doza foana izy ireo ary misy mihitsy aza no misy mamono. Mahakasika izany indrindra dia mpifankatia nampiaraka tanaty ala no nisy nanendaka ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, tany Amboanjombe, kaominina Iavoloha. Raha ny nambaran’ny olona dia niditra anaty ala ireto mpifankatia nampiaraka ireto anefa ny tsy fantatr’izy ireo dia maro ireo mpanendaka efa manara-maso izay miditra ao amin’io toerana io, izay marihina fa miditra an-tànana. Tsy be mpandalo ka mety tsara amin’izy roa anefa ilay toerana ka lasa ihany izy roa ary nampiaraka toy ireny mpifankatia rehetra ireny. Tsy tana angamba ny filana minitra vitsy fa dia niroso tamin’ny firaisana izy roa ka nanala akanjo manontolo. Tsy niandry ela akory ireo mpanedaka dia nanambana azy roa ny antsy ary naka ny entana rehetra : kitapo, finday hatramin’ny akanjo sy ny kiraro. Soa fa tsy nanana heritreritra ny hanolana ireo roa lahy nanendaka fa raha tsy izany vao mainka loza. Tsy nisy azo natao fa dia nody tamin’ny pataloha izy roa. Ny nahitan’ny manodidina azy roa nanakana taxi niboridana no nahafantarana fa voahendaka izy ireo.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre