Ambinanindrano – Mahanoro – Eni-mianaka maty voatsatok’antsy
« Ny aina Ramangatahiana, ny vola Ramangatadiavina ». Tsapa amin’ny tranga misy eo amin’ny fiarahamonina anefa ankehitriny fa miha very hasina ny lanjan’ny aina. Renim-pianakaviana iray 30 taona niaraka tamin’ny zanany kely enina mirahavavy, eo anelanelan’ny 8 volana hatramin’ny 10 taona no nisy namono tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy. Tany Ankazotsifantatra, Kaominina Ambinanindrano, Distrika Mahanoro tamin’ny 10 desambra 2016 lasa teo no nitranga izao habibiana mahatsiravina izao. Araka ny loharanom-baovao dia tsy tao ny raim-pianakaviana tamin’io fotoana io fa tany an-tsaha lavitra niasa tanimbary nanomboka ny 7 desambra 2016. Tsy tazan’ny mpiara-monina nivezivezy izy mianakavy kely . Noho ny faharenesana fofona mahery nivoaka avy ao amin’ny trano fonenan’izy ireo ny 14 desambra vao nisy niantso zandary, ka indrisy fa faty efa simba sisa no hita tao an-tranon’izy ireo. Nisy lehilahy iray ahiahiana ho nahavanon-doza noho izy efa namoaka vava noho ny ady misy aminy sy ity fianakaviana ity. Izy rahateo tsy hita nanjavonana.Misokatra ny fanadihadiana.
Farah