Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Firenena manjombona !

Fa inona marina no zava-mitranga eto amin’ity Madagasikara ity e. Toa manjombona manaraka ny lokon’ny toetr’andro ihany koa mantsy ny fiainam-bahoaka. Dimy andro mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny noely dia tsy toy ny isan-taona fa mangingina sy kivikivy izany ny ankamaroan’ny vahoaka. Mitaraina ireo mpivarotra eny an-tsena  fa tsy misy mpividy ny entana. Izay anontaniana na mpiara-monina, na mpiara-miasa, na fianakaviana dia milaza avokoa fa tsy mbola misy tokontaniny ny fety. Inona no mahatonga izany rehetra izany? Tsotra ny valiny ary efa fantatry ny rehetra rahateo : tsy manam-bola ny malagasy. Mafiady ny vahoaka ary miakatra hatrany ny vidim-piainana ka tsy maharaka hanaovana fety intsony ny fihariana isam-bolana. Ny karama rahateo kely no sady tara vao hivoaka satria ny faramparan’ity herinandro ity no mety handray vola izay mety hahazo izany ary ny hafa kosa dia amin’ny herinandro. Ireo tsy an’asa sy mpanao asa tena  moa dia miandry fahagagana sisa mba hahafahana manao fety.

Manjombonjombona mandavan-taona ny fiainam-bahoaka ary mihakivy ny ankamaroan’ny malagasy satria tsy manantena intsony izay lazaina fa asa fampandrosoana dradradradrain’ny mpitondra Fanjakana izany. Tsy hita mihitsy mantsy izay tena vokatra misongadina noho ny asa ataon’ny fitondram-panjakana ho an’ny vahoaka. Toa mifanipaka hatrany amin’ny zava-misy ny tatitra etsy sy eroa. Fahombiazana ambongadiny no asesin’ny mpitondra sy ny sehatra iraisam-pirenena  mandritra ny kabary sy tatitra ataon’izy ireo nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra ary miha mahantra isan-tokantrano ny vahoaka malagasy. Sarotra ho an’ny isam-pianakaviana ny fanapahan-kevitra hanao fety amin’izao krismasy sy faran’ny taona izao satria na  hahita vola mialohan’ny fety aza dia ho mafy ny fiantraikan’izany amin’ny volana janoary.

Manaporofo izany rehetra izany fa resa-be fotsiny ny asa fampandrosoana eto Madagasikara. Tsy fantatry ny mpitondra na odian’izy ireo tsy fantatra fa na ny sakafo hohanina aza manahirana ny ankamaroan’ny tokantrano ny mitady azy. Misondrotra lafo dia lafo ny vidin’ny sakafo fihinanana andavanandro toy ny vary, ny menaka, ny siramamy ary ireo vokatry ny fambolena sy ny fiompiana rehetra. Matoa misy izany fisondrotam-bidy izany dia misy fitantanana tsy mahomby ao. Tsy voafehy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary tsy mahita vahaolana amin’ny tsy fisian’ny asa sy ny hakelin’ny karama eto Madagasikara ny mpitondra. Iarahan’ny rehetra mahafantatra fa tena ambany dia ambany ny marin-karaman’ny 80 isanjaton’ny mpiasa eto Madagasikara. Tsy mifanaraka mihitsy amin’ny vidim-piainana izay tsy mitsaha-misondrotra. Ny asa rahateo vitsy ka ny politikan’izay tsy mahatanty miala no ampiharina amin’ny sehatr’asa rehetra eto amintsika.

Taonan’ny fijinjana ity 2016 ity hoy ny filoha tany am-piandohana nefa hita fa tsy ampy mihitsy ny vokatra ary tsy nahafa-po. Mba miasa ihany ny tsirairay nefa tsy mety tafita sy lasa lavitra fa sahiran- dava sy mafiady mandavan-taona. Ny hakelin’ny karama tsy ahafahana manatsara ny fiainana fa dia entina hampandehanana ny isanandrom-piainana fotsiny. Efa tsy ao anaty vinavinan’ny mpiasa malagasy intsony izany hanangom-bola hividianana trano hipetrahana sady hapetraka ho lova ho an’ny taranaka izany. Saika ny ankamaroan’ireo olona mahavidy trano amin’izao fotoana izao dia avy amin’ny bizina hafa ivelan’ny karama isam-bolana no ahazoana izany. Matetika anefa zavatra tsy mazava sy tsy ara-dalàna ny resaka bizina ka tsy sahy manao izany ny maro an’isa amin’ny mpiasa malagasy. Aleon’ny olona mihafy amin’ny kely isam-bolana nefa azo tamin’ny herim-po sy ny fahamarinana toy izay ho lasa mpanefoefo nefa itambaran’ny alahelom-bahoaka no mbola mitatao eo amboniny ny fanarahan’ny fitsarana. Manjombona ny hoavin’ny vahoaka malagasy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre