Mahajanga – Ho mafy ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fety
Tsy amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra lehibe ihany fa rehefa fotoanan’ny fialan-tsasatra dia manintona olona hatrany ny tanànan’i Mahajanga. koa mandritra izao vanim-potoanan’ny fety izao dia mpitandro ny filaminana 300 no hisahana ny filaminana mandritra ny fetin’ny noely sy taom-baovao. Hiparitaka manerana ny tanàna sy eny ambanivohitra ireo mpitandro ny filaminana ireo mba hitandro ny fandriam-pahalemana. « Fampihaingoana fety hieren-doza ! » Izay no fanambin’ny mpitandro filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny noely sy taom-baovao. Farany, mitaky fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy.
Nangon’i S.A