Ambohimirary – Nisokatra ny tsena Fanantenana
Andro vitsy sisa dia higadona ny andro krisimasy, efa manomana izany avokoa ankehitriny ny vahoaka isan-tsokajiny, indrindra ireo ray aman-dreny amin’ny fampifaliana ny ankizy amin’ny kilalao sy ny akanjo ary ny vatomamy isan-karazany. Nisokatra omaly ny tsena fanantenana etsy Ambohimirary izay mivarotra manokana ireo kilalao amin’ny vidiny mirary ho an’ny ankizy rehetra monina eo amin’ny boriboritany fahadimy. Fanin-telony amin’izao no nanokafana ny tsena natokana ho an’ny krisimasy. Ny fikambanana Fanantenana izay tarihin’ny Hanitraniala Raholdina, mpiandraikitra ny sosialy ao amin’ny Fafi-V dia mitsimbina ihany koa ireo sahirana amin’izao andro fety izao amin’ny alalan’ny fizarana vary sy menaka , vatomamy ary biscuits. Hanatanteraka fizarana hazo noely sy kilalao ihany koa izy ireo eny amin’ny faritra Ivandry, Androhibe, Ankerana ary eraka ny fokontany 27 mandrafitra ny boriboritany fahadimy. Tahaka izany ihany koa ny fivarotana kahie amin’ny vidiny mirary rehefa tonga ny fidiran’ny mpianatra. Natokana ho an’ny mponina ao amin’ny boriboritany izay iadidian’izy ireo ihany izany ka tsy maintsy, mitondra kara-pokotany ho fanamarinana. Marihina fa tsy vao voalohany amin’ny asa fanasoavana nataon’ny fikambanaaa Fafi-V izao.
Lalaina