Barikadimy Toamasina – Nivadika ilay kamiao mpitatitra solika nifandona tamin’ny 4×4
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tao Barikadimy Toamasina, omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny roa ora. Raha ny vaovao azo tany an-toerana dia « camion citerne » mpitatitra solika iray no nifandona tamina fiara tsy mataho-dalana teo amin’ny fiolanana iray. Samy nandeha mafy na ny andaniny na ny ankilany saingy ilay fiara tsy mataho-dalana kosa dia nifanenjika tamina fiara sprinter iray. Tsy tafasongona ilay fiara akory izy no nahita ilay kamiao mpitatitra solika. Tsy voatana intsony noho izany ny familiana ka avy hatrany dia nifandona ny fiara roa. Vokatry ny fifandonana mafy dia mafy dia nivadika ilay kamiao mpitatitra solika ary vaky tamin’izany ny fitaratra rehetra. Very niparitaka eraka ny arabe ihany koa ny gasoil ary tsy vitan’izany fa naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy teo amin’ny faritry ny lohany ilay mpamily sy ilay rangahy niaraka taminy. Ilay fiara 4×4 kosa potika tanteraka ny lohany sy ny jirony sady nipitika teny amin’ny sisin’ny arabe. Ny mponina teo amin’ny manodidina ihany no niandraikitra ny famoahana ireo olona rehetra tao anaty fiara sy niandraikitra ny fitondrana azy ireo teny amin’ny hopitaly akaiky indrindra. Ora vitsy taorian’izay, niroso tamin’ny fanadiovana ny arabe ny mponina satria rakotra gasoil tanteraka ny lalana ka atahorana mbola hiteraka loza hafa indray. Raha tsiahivina dia tsy vao ela akory izay no nisy lozam-pifamoivoizana nahavoa « camion citerne » tahaka ity tao Toamasina. Ny hamaroan’ny isan’izy ireny no tena mahatonga ny loza matetika sy ny tsy fanarahan’ireo mpamily ny fenitry ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalana, na anaty tanana izany na eny amin’ny lalam-pirenena.
Ra Tax.