Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Sambava – Olona telo hita faty tao anatin’ny tapa-bolana

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao any Sambava sy amin’ny faritra maro manodidina azy. Miaina anaty hala-botry, vaky trano, fanendahana, asan-dahalo ny fokonolona ary tsy tafandry andro sy alina satria tsy mifidy fotoana hanaovana ny asa-ratsiny ireo tsy mataho-tody fa na andro antoandro be nanahary aza dia tsy misy tahotra izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny. Ankehitriny koa dia lasa nahazo  vahana ao an-toerana ny resaka vono olona izay lasa tena mirongatra izay tsy izy. Ny faran’ny herinandro teo, ohatra, dia lehilahy iray mpividy lavanila no hita faty nisy namono tany amin’ny toerana antsoina hoe Nasaina, fokontany Marodraka ao Sambava. Fotoana fiakaran’ny lavanila tokoa mantsy izao ka mirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Araka ny vaovao azo dia efa fantatr’ireo mpanafika fa nisy ny vola be saika hividianana lavanila ka mora tamin’izy ireo ny nandroba izany. Teo amin’ny toerana mangingina no niandrasan’ireo jiolahy ity rangahy ity ka avy dia novonoiny izy ka sady notsatohiny antsy no notapahany ny tendany. Vola mitentina 28 tapitrisa ariary sy ny entana rehetra hatramin’ny lavanila vao avy novidiana no lasa tamin’izany.

Ny herinandro lasa teo ihany dia fatina tovovavy kely ihany koa no hita nitsirara teo amoron-dalana teo amin’ny fokontany Antaimby-Sambava. Tovovavy nitady asa no anton-diany ary io izy nisy namono io. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ity fa raha ny vaovao azo dia nahitana ratra teo amin’ny tendany, niala ny fitafiany ambany ary niparitaka tsy lavitra ny vatana mangatsiakany ny findainy. Maro ireo mieritreritra fa nisy nanolana izy. Ankoatra izay dia mbola nahitana fatin’olona ihany koa teo amin’ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Lehilahy iray, 45 taona voalaza fa zanak’Antananarivo nila ravinahitra efa ho 20 taona tao Sambava io maty io. I Dera no fiantsoan’ny olona azy, ary avy any Ambohidratrimo Antananarivo no nambarany fahavelony fa fiaviany. Misy aza ireo miteny ho mbola nahita azy nandehandeha tany Sambava ny marainan’ny alakamisy ary ny hariva izy dia hita faty tao anaty bozaka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre