Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Otiv Ampanefena Vohemar – Nanjavona ny vola 160 tapitrisa ariary

160 tapitrisa ariary no nanjavona tao amin’ny Otiv any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampanefena, Distrikan’i Vohemar. Vola mitentina 500 tapitira ariary no tao anaty « Chambre forte », miampy 340 tapitrisa hafa nefa dia io 160 tapitrisa io ihany no tsy hita izay nanjavonany. Araka ny loharanom-baovao dia ny zaobavin’ny talem-paritra ny Otiv Sava ihany no nalefany tao an-toerana nisolo toerana vonjimaika ny tompon’andraikitra voalohan’ny Otiv ao Ampanefena izay nahazo fialan-tsasatra na « congé ». Nilaza anefa ity zaobavin’ny talem-paritra any an-toerana ity fa nahazo « permission » na fahazoan-dalana tsy hiasa telo andro fa tsy salama ka talohan’ny nandehanany tamin’io andro io dia nasainy napetraka tao amin’ny « Chambre forte » ny vola noentiny izay mitentina 40 tapitrisa ariary satria hadinony tany an-trano, hoy izy, ny fanalahidin’ny « coffre-fort ». Saika tsy nanaiky ilay mpitam-bola na « caissière » satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny Otiv izany. Tsy vitan’izany fa niangavy ilay mpitam-bola mba hametraka ao amin’ny « Chambre forte » ny vola hoentin’ny mpanjifa na « client » iray izay mitentina 200 tapitrisa Ariary. Tonga tokoa àry ilay mpanjifa ka napetrak’ilay mpitam-bola tao amin’ny « chambre forte » ny vola be nentiny. Nony tonga ny tamin’ny 6 ora hariva dia nilaza koa ny mpiambina ny biraon’ny Otiv Ampanefena fa handeha hisakafo, ka voatery ilay caissière niandry  ny vola tao amin’ny « chambre forte » hatramin’ny 9 ora sy sasany, ora nahatongavan’ny vadiny haka azy rehefa tsy nipoitra mihitsy ilay mpiambina. Rehefa tonga ny ampitso, akory ny hagagan’ilay mpitam-bola raha nahita fa misy tsy milamina ny vola tao amin’ny « chambre forte ». Nisaina indray mandeha ny vola rehetra tao amin’ity farany ka teo no nahitany fa vola mitentina 160 tapitrisa ariary no nanjavona. Marihina fa tsy vaky kosa anefa ilay « chambre forte ». Rehefa natao ny tatitra tany amin’ny talem-paritry ny otiv dia noroahina avy hatrany ny mpiambina nefa tsy mbola natao famotorana akory. Ny mpitam-bola sy ny vadiny no nohadihadiana ary tokony natolotra ny fampanoavana tamin’ny alatsinainy teo.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre