Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Mivelona amin’ny fanampiana

Misesisesy ary lasa fifaninanana ho an’ny orinasa sy ny sampan-draharaha isan-tsokajiny tamin’ity herinandro ity ny fikarakarana lanonana tsotsotra hizarana fanampiana sy kilalao. Ho an’ny orina sa dia ireo mpiasa sy ny zanaky ny mpiasa ihany no misitraka izany saingy ho an’ny vondrona hafa kosa dia fitsinjovana ireo sahirana ara-pivelomana no tena itodihan’ny fanampiana ataon’izy ireo. Misy ireo manakihana ny fanaovana ny fahasahiranan’ny hafa ho fitaovana politika na ihany koa fanararaotana isehosehoana nefa kosa na inona na inona fanazavana dia tena ilain’ny sahirana ny fitsinjovana azy ireo amin’izao fotoanan’ny fety izao. Zava-dehibe ho an’ny mpiasa, ohatra, ny fiantohan’ny orinasa iasan’izy ireo ny fividianana kilalao ho an’ny ankizy ary miampy fanomezana kely hita maso sy azo tsapain-tanana toy ny vary sy menaka ary akoho. Mety heverina ho kely ireny fanomezana ireny nefa kosa tena misy fintraikany betsaka amin’ny fitiavana sy firaiketampon’ny mpiasa sy ny fianakaviany amin’ilay orinasa. Mahay misitraka sy mankasitraka mantsy ny malagasy ary tsaroan’ny fianakaviana mandavan-taona ireny fanomezana ireny ka hampirisihin’izy ireo ilay havany miasa ao amin’ilay orinasa mba ho matotra sy hanaja tsara ny asany. Ho an’ny vahoaka sahirana ihany koa dia tena misy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’izy ireo ny fandraisana fanampiana amin’izao fotoanan’ny asaramanitra izao. Misy ary tena maro ny fianakaviana no tsy manan-kamidy na dia ny vary sy laoka hatao sakafo krismasy aza. Ny fizarana fotsim-bary sy akoho ary menaka ho azy ireny dia tena mahafaly azy ireo ary hanadinoany na dia vetivety ihany aza ny vesatry ny fiainana sy ny lanjan’ny fahantrana mianjady isan’andro.

Tena sahirana ny vahoaka malagasy ary mila fanampiana be mandavan-taona mihitsy mba hiaina ao anatin’ny fahampiana sy manaraka ny fenitra ilaina amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao. Tsy ho vita ary tsy hisy hahavita hanampy ireo mahantra isan’andro mandritra ny taona anefa fa tolo-tanana mandalo ihany isaka ny fotoanan’ny fety no azon’ireo manan-katao atolotra. Ny vahaolana maharitra dia ny fitadiavan’ny Fanjakana fomba mahomby hahafahana mampiakatra ny toekaren’i Madagasikara ary ihany koa manome asa sahaza sy ampy amin’ny filan’ny isam-pianakaviana ara-bola. Azo tanterahina tsara izany ary ny mpanao politika rehetra dia samy mamerimberina fa azo atao ny mampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy. Toa hevitra anefa no betsaka rehefa tsy eo amin’ny fitondrana fa rehefa tena mahazo seza dia ny eo ihany no miverimberina. Anisan’ny olana iray voalaza matetika fa tsy mety mampandroso ity firenena ity ny fivangongoan’ny harena eny am-pelatanan’olom-bitsy. Malaza ho mahantra mantsy ny malagasy nefa tsy mitsaha-mitombo ny tranobe mijoalajoala sy ny fiara raitra lafo vidy mivezivezy eny amin’ny arabe. Ny tena marina dia misy vola sy harena eto amin’ity firenena ity saingy tsy voazara ara-drariny izany fa angonin’ny vondron’olom-bitsy. Ireo mahazo fahefana sy ny mpiara-dia aminy no tena misitraka ny harem-pirenena. Iza no tsy mahalala ny fisian’ny kolikoly sy fanodikodinam-bola eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra eny saingy vitsy no sahy mitory sy mitaraina satria mahafantatra fa sarotra ny miady amin’ny olona ambony sy ny mpanam-bola. Matoa voakitika ireny mpanodina ny volam-panjakana ireny dia nanao ny tsy mety tamin’izy samy mpitondra tao. Izany hoe nivadika tamin’ny mpiara-dia aminy ka nofaizin’ireto farany. Mila fanampiana ny malagasy raha te handroso ity firenena ity. Tsy fanampiana miseho amin’ny fizarana sakafo sy fitaovana entina hiatrehana fety fotsiny anefa fa tena fanampiana ny isan-tokantrano mba ho tena mpandray anjara sy fanoitra tokoa. Fametrahana fandriam-pahalemana, fanomezana asa, fampanjakana ny lalàna, ary famerenana ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana izany fanampiana ilain’ny vahoaka sy ny firenena izany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre