Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Tolo-tanana – Ala-nenina farany ho an’ilay ramatoa voan’ny homamiadana

Ankehitriny dia lasa maro ary tsy mifidy taona intsony fa na lehibe na kely dia voan’ny homamiadana avokoa. Ramatoa iray indray izao no mitady fanampiana faran’izay maika avy amin’ireo malala-tanana sy terem-panahy. Voan’ny homamiadan’ny tsinay be io ramatoa io ka mitarika ny tsy fahafahany manao maloto intsony. Nesorina mantsy ny lava-pitombenan’ilay ramatoa antsoina hoe Claudia satria efa tonga any amin’ny sehatr’aretina avo indrindra ilay homamiadana. Tsy maintsy navoaka teo amin’ny kibony noho izany ny tsinay mamoaka maloto. Mila vola an-tapitrisany maro anefa mba hahafahana manohy ny fitsaboana satria dia efa tsindrona manala fanaintainana sisa no atao aminy. Lot IG 067 Ambalavao Isotry akaikin’ny Fokontany no misy ity ramatoa ity. Iangaviana mba hanantona io tokantrano io na hiantso ny laharana finday 0336713120, izay terem-panahy hitondra fanampiana. Raha toa ka sarotra hita ny lalana dia azo atao ihany koa ny miantso ny laharana 0331433371 izay an’ny reniny, mpivarotra fanalahidy eo amin’ny manodidina ihany. Nilaozam-bady  izy ary mipetraka ao amin’ny fianakaviany miaraka amin’ny zanany roa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre