Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Mantasoa – Mitaraina ny mponina fa ritra ny farihin’i Mantasoa

Loza mitatao efa an-taonany maro ho an’ny mponin’i Mantasoa ny faharitran’ny farihy be izay azo lazaina manana anjara asa lehibe eo amin’ny fiveloman’izy ireo. Efa taona maro mantsy izay no efa nampiasain’ny orinasa Jirama io farihy io angalana herinaratra. Iaraha-mahalala anefa fa mandoto ny farihy izany fitrandrahana izany ary tsy vitan’izany fa mandritra ny rano ihany koa. Ankehitriny ary dia mitaraina ny mponina fa manova zavatra maro eo amin’ny fiainan’izy ireo io faharitran’ny rano io satria simba tanteraka ary tsy misy vanona ny voly rehetra noho ny fahamainan’ny tany. Ny ankamaroan’ny mpamboly mantsy dia tsy mandeha alavitra fa eo amin’io farihy io ihany no matsaka rano hanondrahana voly. Tsy vitan’izany fa mbola ireo mpiompy trondro vazaha ao Ampasipotsy ihany koa no manjaka any an-toerana. Enjehina fatratra mantsy ireo mpanjono amin’izao fotoana izao satria hoe tsy mbola misokatra ny vanim-potoana fanjonoana sy anaratoana. Ireo vahiny kosa anefa mahazo vahana soa aman-tsara migoka ny vokatra azo avy amin’ny farihy. Ny tena mahasosotra mantsy rehefa lany ny trondro vao mahazo alalana hanjono ny mponina. Sady tsy hisy rano hosotroina izany atsy ho atsy ny mponina no tsy hahavanona vokatra intsony. Ny tena mampalaelo dia toerana anisan’ny tsara no akaiky azo itsangatsanganana i Mantasoa. Mampalahelo fa simba ny tontolo iainana, may ny tanety ary ho ritra ny rano izay foto-piveloman’ny olona rehetra ao Mantasoa. Rano sy ny ala no misarika ny mpizahatany, toerana izay sady tena azo lazaina fa akaiky satria 60 km fotsiny  ary lalana ora 2. Tao anatin’ny 2 taona lasa mantsy izay dia mbola maizina ala ny lalana, mbola feno rano izay jerena rehetra fa amin’izao dia mampatahotra fa ngazana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre