Belinta Mahajanga – Trano maherin’ny dimampolo no noravana
Efa tamin’ny 13 sy 14 desambra lasa teo no nahazo fe-potoana farany hialana amin’ny tany CMC-10 ireo mponina tao Belinta Mahajanga. Ny fiandohan’ity herinandro ity dia tonga ny fiara vaventy “pelle mécanique” miaraka amin’ny andian-tafika efa ho 100 mahery niroso tamin’ny fandrodanana. Trano maherin’ny 50 miorina eo amin’ity tany CMC-10 ity no voatery tsy maintsy narodana araka izany tao anatin’ny indray mipi-maso. Trano izay efa niorina amam-bolana. Misy aza efa aman-taonany maro no teo. Taty aoriana dia nanala ny fokonolona teo amin’ny taniny ny Compagnie Madecasse ka nampiditra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Ireo fokonolona koa niady ny hamerenana ny tany amin’ny Fanjakana araka ny lalàna nivoaka, ahafahan’izy ireo mangataka azy. Nisy ny efa nanala ny azy fa nisy kosa ireo nanantena ny hahazo rariny hatramin’ny farany ka niandry. Rehefa niakatra fitsarana anefa ny raharaha dia ny orinasa no nahazo ny rariny. Tsy nanaiky ny hanapa-kevitra kosa ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Filankevitry ny minisitra fa naveriny eny amin’ny teknisianina, dia ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny sampan-draharahan’ny Ffananantany, ny raharaha. Tsotra ihany anefa ny an’ny Fananantany, dia ny hoe izay manana “titre” no tompon’ny tany.
Araka ny voalaza dia ny Compagnie Madecasse no tompon’ny tany sy manana “titre”. Taratasy nosoniavin’ny prefen’i Mahajanga no nahazoan’ny vadintany nanatanteraka io fandrodanana io ka dia ranomaso sisa ny an’ ireo tompon’ny trano. Mba hitsinjovana ny maha olona dia nanome tany 2ha latsaka kely hametrahana ireo fokonolona ny Compagnie Madecasse, saingy misy amin’izy ireo no tsy nanaiky. Miisa 58 kosa ireo nanao sonia fa manaiky ny hifindra amin’io toerana nomena azy io. Misy amin’ireo fokonolona kosa anefa no mitaky onitra ahafahan’izy ireo indray manorina vaovao fa misy ireo izay mampiasa ny akora tamin’ny tranony taloha hafindra eny amin’ny tany vaovao. Ny Mpitahiry ny Fananantany kosa dia efa miezaka mamindra “titre” amin’ny tompony tsirairay mba tsy hisian’ny olana intsony any aoriana ho an’ireo izay nanaiky niala.
S.A