Fanolanan-jaza – Nanatsofohany hazokely ny fivavian’ilay zaza
Filan’ny nofo diso tafahoatra izay tsy voafehy na tsy fahazakana ny herin’ny zava-mahadomelina no mahatonga ny lehilahy sasany mahavita fihetsika mamoafady amin’ny zaza tsy manan-tsiny. Miaritra fanolanana, mamoy aina tsy fidiny noho ny herisetran’ireo tsy mataho-tody ny zaza tsy ampy taona ankehitriny. Matetika avy amin’ireo fianakaviana sahirana no tena iharan’izany herisetra izany. Mampalahelo satria potika noho ny hetraketrak’ireo manao fanahim-biby ny vatany. Toy ity zaza vao 11 taona naolan’ny lehilahy iray, izay 21 taona tany amin’ny fokontany Ambaniandrefana, kaominina Ambanivohitra Antanandava, distrikan’Andapa, tamin’ny 19 desambta, tamin’ny 9 ora maraina. Taorian’ny fanolanana izay nataony dia nanatsofohany hazokely ny fivavian’ilay zaza ary lasa nandositra izy. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia niaraka tamin’ny zandriny 9 taona io voaolana io tamin’io fotoana io ka izy no nitantara tamin’ny mpiara-monina ny zavatra nahazo ny zokiny. Voasambotra ilay jiolahy ary tazomina ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Andapa, hatao famotorana. Ilay zaza kosa efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Tokony ho sazy faran’izay henjana no hampiharina amin’izay olona tratra manao herisetra amin’ny zaza tsy manan-tsiny toy izao.
Tahirisoa