Tsy milamina ny tany
Manao hetsika maro entina hampandriana fahalemana ny tany ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Midika izany fa tsy milamina eto Madagasikara ary mbola anjakan’ny herisetra sy ny asan-jiolahy. Aleo tara toy izay tsy misy mihitsy nefa hita ihany fa ny fitavozavozan’ny fandraisana andraikitra no tena nampirongatra be ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenenena. Tsikaritry ny olon-dratsy ny goragora sy ny gaboraraka ka nohararaotin’izy ireo nampiroboroboana ny asa ratsiny. Efa lasa fomba mahazatra ny famonoana olona fa mikoropaka ny mpitondra. Ankehitriny mantsy ireo jiolahy dia tsy misalasala intsony mamono mahafaty ireo lasibatra na dia tsy misy antony mazava aza. Toy izany ihany koa ny olon-tsotra izay mifanindron’antsy sy mifanapa-doha noho ny adiady madinika tsy dia misy antony akory. Mihitatra eny anivon’ny fokonolona ny fitiavana mamono mahafaty ary miseho amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka izany. Tsy mahagaga raha manao izany ny rehetra satria voatery miaro tena ny vahoaka rehefa tsy ampy ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana. Lasa mamaly faty ary maka tahaka ny fomban’ireo olon-dratsy ny fokonolona mba hanehoan’izy ireo ny hatezerany sy ny tsy fanekeny intsony ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Zava-doza anefa io resaka fitsaram-bahoaka io satria tany tan-dalàna i Madagasikara ary voarara ny famonoana olona na inona na inona antony. Miteraka fifandonana sy fifandrafesana eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ihany koa satria ny roa tonta indray no lasa mpifahavalo. Mazava ho azy fa mahazo vahana ny olon-dratsy rehefa tsy mifanaraka ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana.
Amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao no tena atahorana hisian’ny rà mandrika eto Madagasikatra satria mihetsiketsika avokoa ireo jiolahy sy dahalo manararaotra ny hetsika mahavariana ny vahoaka. Fotoanan’ny fanafihan-dahalo sy fanakanan-dalana ary vaky trano sy fanendahana ny toy izao. Mandray andraikitra amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika manokana ihany ny mpitandro filaminana saingy ny ratsy tsy kely lalana ary maro ihany ireo mbola mahita hirika handrobana ny vahoaka sy biby fiompy. Ny zava-misy toy izany anefa no mahatonga ny vahoaka hitroatra ka hamono mahafaty izay heverina ho olon-dratsy voasambotra. Mbola risika goavana ihany koa ny tsy fahamaroan’ireo fety ankalamanjana tsy andoavam-bola izay karakaraina manerana ny Nosy. Ny toerana toy ireny no ifandrombahan’ny jiolahy sy ny mpidoroka hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Misy hatrany maty sy maratra amin’ny fotoanan’ny noely sy ny faran’ny taona, nohon’ny tsy fahalavorarian’ny fandriam-pahalemana. Mbola tsy voafehy mihitsy ny resaka fiarovana ny vahoaka sy ny fananany io na dia lazain’ny mpitondra fa laharam-pahamehana aza ny resaka fiarovana. Mbola lavitra ezaka ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminana eto amintsika satria ny toe-tsaina mihitsy no miova. Sahy mamono sy mampijaly vahoaka ny olon-dratsy satria tsy matahotra izay sazy mety hihatra raha sendra voasambotra. Maro mantsy ireo heverina ho tena jiolahy rain-dahiny sy dahalo nampitondra faisana no tsy mety voasambotra ary raha sendra misy tratra aza dia tsy maharitra ela any am-ponja.
Ravalo tsy Manana