Ikalamavony – Dahalo 20 mahery nanafika taksiborosy
Avy aiza ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ampiasain’ny dahalo amin’ny fangalarana omby sy fanafihana ny mpandeha eny amin’ny lalam-pirenena na amin’ny famakian-trano ? Samy manana ny valin-teniny mahakasika izay ny tsirairay. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ary miseho amin’ny karazany maro izany. Miaina ao anaty tebiteby lava ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy noho ny afitsok’ireo dahalo, izay tsy lany hevitra amin’ny fomba enti-manafika ny mpiray tanindrazana. Tamin’ny 21 desambra 2016 tamin’ny 11 ora maraina dia dahalo 20 mahery no nanafika taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena faha-42 Pk60, tany Ilamba, fokontany Amboretina, kaominina ambanivohitra Mangidy. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo ary nisakana taksiborosy marika Mazda avy any Fianarantsoa, sy kamiao, marika Dong Feng avy any Ikalamavony. Araka ny loaharanom-baovao dia naratra ny tanan’ilay mpamily taksiborosy ary voaroba avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny. Taorian’izay, nitsoaka nianavatra nihazo ny kaominina ambanivohitra Fanjakana ireo olon-dratsy nahavanon-doza. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’izao fanafihana izao. Nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny manam-pahefana ao Mangidy izy ireo ary efa misokatra ny fanadihadiana.
Tahirisoa