Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Halatra telefaonina – Nisy voa indray tao anaty 194

Telefaonina nolalaovina tao anaty taxibe zotra 194 no nosintomin’ny mpanendaka ary lasan’izy ireo. Mpandeha tao ihany ireo roalahy mpanendaka nefa kosa tsy niara-nipetraka fa toy ny olona samihafa. rehefa tonga teo alarobia ilay fiara dia niala izy roalahy ary nosintomin’ny iray tampoka ilay finday avo lenta teny an-tanan’ilay tovovavy. Ity farany rahateo tsy nanampo na inona na inona mihitsy fa variana nanao facebook. Tsy nisy azony natao afa-tsy ny nanao ranomaso havozona satria ny tena vehivavy moa ireo mpanao sinto-mahery rahateo tonGa dia nitsoriaka tsy tazana vao tafavoaka ilay fiara. Nomen’ny mpandeha tsiny kosa ilay mpanampy ny mpamily ilay fiara fitateram-bahoaka satria tokony ho nahatsikaritra ny fihetsik’ireo mpanendaka. Azony natao ihany koa ny nanakatona ny varavarana mba tsy hahafahan’ilay mpangalatra milefa nefa tsy nanao izany izy. Heverin’ny rehetra ho mpiray tsikombakomba amin’ireo tontakely ilay resevera.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre