Ambato Boeny – Tra-tehaka ireo mpangalatra taolam-paty
Varo-maizina mampiditra am-ponja, fanitsakitsahana ny hasin’ny razana araka ny finoana malagasy ny halatra taolam-paty. Mirongatra izay tsy izy anefa izy ity tato anatin’ny taona maro. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava izay ampiasana azy ireny fa misy dia tena sahy mihitsy mandeha mamaky fasana sy milalao razana. Tsy amin’ny toerana iray fa saika efa manerana ny faritra 22 eto Madahasikara dia naharenesana ity asa maloto ity avokoa. Misy hasiny manokana amin’ny finoana Malagasy anefa izany razana izany ka mila hajaina. Lehilahy roa àry no tratra nitondra taolam-paty maromaro tany amin’ny Tetezan’ny reniranon’i Mahajamba, fokontany sy kaominina ambanivohitry Manerinerina tamin’ny 21 desambra 2016 tamin’ny 6ora maraina. Olona tsara sitra-po no nampandre ny mpitandro filaminana tamin’izany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana azy ireo fa fasana iray tao Ampombolava ihany no novakian’ireo jiolahy ny alin’ny 20 desambra 2016. Ny borigadin’ny zandarimaria ao Manerinerina no misahana ny fanadihadiana ireo olon-dratsy ireo. Azo lazaina ho ny tsy fisian’ny asa koa anefa no mahatonga ny olona roso amin’ny asa maizina toy itony. Ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra nefa ny karama tsy misondrotra. Mitady loharanom-bola haingana ny olona ary manao ny aina tsy ho zavatra mba hampandrosoana ny fari-piainana. Mila jerena ihany anefa ny mety ho vokatry ny zavatra iray ka aleo mihinan-kely toy izay hiditra ny varavaran’ny fonja. Ny ezaka sy ny faharetana no tokony hatao fa tsy ny firobohana hanao asa maizina.
Tahirisoa